Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hatraiza ny haben’ny fitiavany antsika?

Daty
Sabotsy 21 February 2026

 Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.» - Jao. 17:23.

Mofon’anina:
Toa tsara loatra ny mino fa afaka mitia sy tena tia ny   olombelona Andriamanitra Ray, tahaka ny itiavany ny Zanany. Kanefa mahazo matoky isika fa tena izany tokoa, ary tokony hameno fifaliana ny fo tsirairay izany, hanetsika ny fanajana lalina indrindra ary hahavelom-pankasitrahana tanteraka. Tsy hoe zavatra tsy azo antoka na  nofinofy ny fitiavan'Andriamanitra, fa zava-misy iainana. — Ms, 31, 1911. 

Manolo-tena hitia izay mino ny Zanany Lahitokana ho Mpamonjy azy flay Mpamorona izao rehetra izao, tahaka ny itiavany ny Zanany. Na eto an-tarry, amin'izao fotoana izao indrindra aza dia atolony ho antsika izany fahasoavany lehibe izany. (...) Nampanantena zavatra be dia be ho antsika lzy ho an'ny fiainana ho avy, kanefa nanolotra fanomezana mendrika ny andriana koa ho an'izao fiainana izao. Ary noho ny fahasoavany amintsika dia tiany ny hifaliantsika amin'ny zavatra rehetra izay hanandratra sy hampivelatra ary hahamendrika ny toetrantsika. Fikasany ny hanomana antsika ho any amin'ilay lapan'ny lanitra. — FCE, t. 234.

Ireo izay mifandray ety amin'i Kristy dia hanankinany andraikitra ambony. Ny mpanompo izay manao ny tsara indrindra azony atao ho an'ny Tompony dia ekena ho mpiara-miasa akaiky amin'Ilay tiany ny mankato ny baikony. (...) Izay miresaka tsara sy mifankazatra amin'Andriamanitra mpitarika azy dia mahita ny fahalehibiazany sy ny fahamboniany (ny an'Andriamanitra), ary izany olona izany no tena mpankato ny didiny. — SDABC, b. 4, t. 1168.

Maro ny raharaha eo amin'ny fiainan'ny olona, na ara-panahy na ara-nofo; ao ny varotra, ao ny fitoriana ny Teny, misy koa ny asa isan-karazany; saingy rehefa manolo-tena ho an'i Kristy ny olona ka tia an'Andriamanitra amin'ny fony, ny sainy, ny fanahiny, ary ny heriny rehetra, dia ny momba azy manontolo no entiny anompoana. (...) Ekeny fa an'Andriamanitra ny heriny sy ny tenany. Mahatonga azy ho malemy fanahy, maha-te ho tia, ary mahalala fomba izany. Ny asany rehetra dia asa marina. — Ms, 21, 1911. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal