Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra".

Daty
Alahady 22 February 2026

 «Ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban’Andriamanitra amin’izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna.» - 2 Pet. 1:4.

Mofon’aina:
Ho "tonga mpiray amin'ny fomban 'Andriamanitra. " Mety hitranga ve izany? Tsy misy zava-tsoa mety ho vitantsika raha amin'ny herin'ny tenantsika manokana. Ahoana àry no hahatongavantsika ho mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra? Amin'ny fanatonantsika an'i Kristy amin'izao toetsika izao, dia olona mita fanampiana, tsy manan-kery, ary miankina Aminy. (...) Tonga olombelona Izy mba hanakekezana ny olombelona. Tamin'ny alalan'ny rojo volamenan'ny fitiavany tsy manam-paharoa, no namatorany antsika tamin'ny seza fiandrianan' Andriamanitra. Natao hanana hery handresena tahaka ny nandreseny isika.

Manasa antsika rehetra Izy hoe: "Mankanesa aty amiko, ( ...) Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am po aho: dia hahita ,fitsaharana ho an 'ny fanahinareo hianareo (...)." - Mat. 11:28-30.

Manana anjara atao isika amin'izany asa izany. Aoka tsy hisy hihevitra ny lehilahy sy ny vehivavy fa tsy maintsy hoentina any an-danitra, nefa tsy nisy ady nataony akory tety an-tany. (...) Hoy Andriamanitra amintsika: "Miasà hahatanteraka ny famonjena anareo." 

Amin'ny fomba ahoana? "Amin'ny tahotra sy hovitra; fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony." – Fil. 2:12,13. Miasa Andriamanitra, ary miasa ny olona. (...) Amin' izany fomba izany ihany no ahafahantsika ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra. (...) 

Tokony ho "mpiray-miasa amin' Andriamanitra" isika, miara-miasa Aminy amim-pirindrana. "Sahan 'Andriamanitra sy trano arafitr 'Andriamanitra hianareo." - 1 Kôr. 3:9. Maneho ny toetran'olombeiona izay Mila amboarina tsikelikely io fanoharana io. (...) Mila miara-miasa amin'Andriamanitra ny olombelona, miezaka mba hahatonga ny tenany ho araka izay tian'Andriamanitra ho toetrany, ka asa madio sy mendrika no handrafetany ny fiainany. (...) 

Manasa antsika Andriamanitra mba tsy hanahy ny ampitso. Tsy ilainao ny manahy ny amin'ny herinandro na ny iray volana ho avy. Ataovy izay tsara indrindra vitanao anio. Aoka hanome voninahitra an'Andriamanitra ny fiteny sy ny fihetsikao anio. Izao no toky omena antsika: "hifarnatra amin'ny andronao ny fiadananao." - Deo. 33:25. – RI-1, 14 Avrily 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal