Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Tsy hanan-tsiny"

Daty
Talata 24 February 2026

 «Mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy hianareo, sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an 'Andriamanitra.» - Fil. 1:10,11.

Mofon’aina:
Tsy manasa ny voariny voafetra hanatanteraka zavatra izay   tsy ho vitany velively ny Tompo. (...) I laintsika indrindra ny hanana hery avy amin'ny fiainana ambony, madio, sy mendrika kokoa. Tokony ho feno fifaliana masina ny vahoakan' Andriamanitra, mba hisy fahazavana hamirapiratra avy aminy, hanazava ny lalan'ny hafa. (...) Ny voninahitr'Andriamanitra dia miseho amin'izay mifandray Aminy, lzay loharanon'ny hery.

Kely no fantatsika momba ny fiadanana sy ny fahasambarana ary ny fifaliana any an-danitra. Mila mahomby kokoa isika. Aoka handray ny ranon' aina avy amin'i Kristy isika, mba ho loharano miboiboika ao anatintsika izany, hamelombelona izay rehetra mfanerasera amintsika. 

Nanome toky isika, teo amin'ny batisantsika, fa hanapaka tanteraka ny fifandraisana amin'i Satana sy ny forongony, ary hanolotra ny fo, ny saina, ary ny fanahintsika ho amin'ny asa fanitarana ny fanjakan'Andriamanitra. Miasa ho fanatrarana izany tanjona izany ny lanitra manontolo. Nanome toky ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina fa hiara-miasa amin'ny olombeiona nohamasinina. Raha mahatoky amin'ny voadintsika isika, dia hivoha ho antsika ny varavaram-pifandraisana amin'ny lanitra, izay tsy misy maharindrina azy (...) 

 ho an' izay rehetra mino ny fahatanterahana ara-pitondran-tena sy ara-panahy, amin'ny alalan'ny fahasoavana sy ny herin'i Kristy. Mila mangataka ny fanampian' i Kristy isika, isaky ny indray mandingana. lzy no ohatra tokony harahintsika eo am-panefena ny toetrantsika. Mangataka antsika hiasa Izy, fa tsy hiteny fotsiny; hoy Izy: "Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. " —Mat. 5:16. 

I Kristy no loharanon'ny fahazavana, loharanon'ny fiainana. (...) Tiany ho tonga tanany ankavanana ny olombelona, rehefa avy nodiovina sy nohamasinina. Mitondra antsika ho eo amin'ny seza fiandrianan' Andriamanitra lzy ary omeny eo am-bavantsika ny vavaka tokony hatao. Rehefa iainantsika io vavaka io, dia mifandray ety amin'i Kristy isika; mifandray amin'ny heriny velona isika isaky ny indray mandingana. RH, 17 Mey 1906.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal