"Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay." - Sal. 16:11.
Mofon’aina:
Aoka ianao tsy hino fa rehefa miara-mandeha amin'i Jesosy dia tokony hanjombonjombona. Ny olona sambatra indrindra eto ambonin'ny tany dia ireo izay matoky an' i Jesosy sy manatanteraka an-tsitrapo ny Sitrapony. Tsy hita eo amin'ny fiainan'ireo izay manara-dia Azy ny fi savorovoroana sy ny tsy fifaliana. (...) Mety ho tojo fitsapana sy zava-tsarotra izy, nefa feno fifaliana ny fiainany, satria miara-mandeha aminy i Kristy ka manazava ny lalany amin'ny Fanatrehany. (...)
Rehefa mifoha amin'ny maraina ianao, dia aoka ho eo am-bavanao ny fiderana an'Andriamanitra; ary rehefa mivoaka handeha hiasa ianao, dia angataho amim-pivavahana ny Fanampiany. (...) Miandrasa ny hahazo ravina iray avy eo amin'ny hazon'aina. Hampitony anao izany ary hamelombelona anao, hameno ny fonao amin'ny fiadanana sy fifaliana. Afantohy amin'ny Mpamonjy ny eritreritrao. Halaviro ny tabataban'izao tontolo izao, fa mipetraha eo anatrehan' i Kristy, dia hihavao ny herinao, na dia eo anivon'ny asa mafy tsy misy fitsaharana sy ny adim-piainana andavanandro aza. Ilaina indrindra ny hipetrahantsika tsindraindray mba hisaintsaina ny amin'ny nidinan'ny Mpamonjy avy any an-danitra, ny nandaozany ny seza fiandrianan'Andriamanitra, mba haneho amin'ny zanak'olombelona ny mety ho toetr'izy ireo raha toa izy mampikambana ny fahalemeny am in'ny Heriny. Rehefa mahazo hery avy amin'ny firaisana amin'Andriamanitra isika, dia hanohy ny lalantsika amim-pifaliana, hidera Azy noho ny tombontsoa hahafahantsika mitondra ny fahazavan'ny fitiavan'i Kristy ho eo amin'ny fiainan' ireo mifanena amintsika. (...)
Efa vonona ny hiara-miasa amin'ny olombelona ny anjelin'ny lanitra, mba hahitan'izao tontolo izao ny mety ho toetry ny olombelona rehefa miray amin'Andriamanitra izy. Ireo manolotra ny tenany sy ny fony ary ny sainy ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra dia handray tsy tapaka hery vaovao, hery ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy. Natao ho azy ireo ny fanomezana tsy mety ritran'ny lanitra. (...) Amin'ny alalan'ny fahasoavana omena antsika no hahazoantsika ny fandresena izay tsy ho azontsika mihitsy raha ny kileman-toetrantsika sy ny hakelin'ny finoantsika no jerena. (...) - RH, 15 Janoary 1911.