Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mendrika teo amin'ny fiainany andavanandro

Daty
Alakamisy 26 February 2026

 "Mamy dia mamy ny vavany, eny, mahate-ho-tia avokoa izy." - Tonk. 5:16.

Mofon’aina:
Diniho ny fiainan'i Kristy teto an-tany. Tsy mba nohamaivamaivaniny ny adidy madinika sy tsotra indrindra. Lavorary avokoa izay rehetra nataony. Mangataha fanampiana Aminy, dia homeny anao ny hery hahatontosanao ny adidinao isan'andro amin'ny fomba tsara sy mendrika toy izay ataon'ny olona mikatsaka ny satroboninahitry ny fiainana mandrakizay.

Ny fahalehibeazan'ny fiainan'i Kristy no tena halalinintsika, ary resahintsika ireo zava-dehibe sy misongadina nataony, ireo fahagagana vitany, ny fomba nitenenany ny ranomasina nisamboaravoara mba ho tony, ny nampahiratany ny jamba sy ny nampaladiany ny marenina, ny nananganany ny maty. Kanefa ny fifantohany tamin'ireo zava-madinika dia porofo lehibe kokoa aza maneho ny Fahalehibeazany. Henoy Izy miteny amin'i Marta raha niangavy Azy haniraka ny rahavaviny hanampy amin'ny raharaha fanompoana ravehivavy. Hoy Izy: "Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina hianao; nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy." - Lio. 10:41,42. 

Henoy ny teny nataony tamin'ireo renim-pianakaviana sasatra izay nitondra ny zanany mba hotahiny. Tsy tian'ireo mpianatra ho voahelingelina ny Tompony ka noroahiny ireo renim-pianakaviana ireo; kanefa hoy Kristy: "Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an 'ny toa azy ny fanjakan 'Andriamanitra." - Mar. 10:14. Nitrotro ireny zaza ireny Izy no sady nitahy azy. Raha nampahafantarina antsika ny hoavin'ireny zaza ireny, dia ho hitantsika ny reniny mampahatsiahy azy ireo ny zava-niseho tamin'io andro io ary namerina taminy ny teny feno fitiavana nataon'ny Mpamonjy. (...) Hay Jesosy nanao izany ihany no Mpamonjy anao. - RH, 7 Avrily 1904.

Fa i Kristy, Ilay manana toetra tsara mihoatra lavitra noho ny olona tsara indrindra, Ilay nambaran'i Solomona hoe: "notsongaina tamin 'ny alinalina (. .), env maha-te ho tia" - TonK. 5:10, 16 (...) Ilay Mpanavotra nanda tena, fony nanefa ny asany tety an-tany, (...), Izy no vavolombelona hita maso fa marina sy tsara ny lalan'Andriamanitra." - S, t. 46.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal