Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Manoatra noho ny mpandresy"

Daty
Zoma 27 February 2026

 "Kanefa amin 'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin 'ny alalan’Ilay Ray tia antsika." - Rom. 8:37.

Mofon’aina:
Noho ny hery omen' i Jesosy, dia "manoatra noho ny mpandresy" isika. Tsy haintsika ny mamorona izany hery izany, fa amin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitra ihany no ahazoantsika azy.

Ilaintsika ny hanana fahatakarana lalina mamba ny toetran'i Kristy sy ny zava-miafina mamba ny Fitiavany, "izay mihoatra noho ny fahalalana." - Efes. 3:19. Antsoina isika mba hiaina eo amin'ny taratra mafana sy mitondra soan' ilay Masoandron'ny fahamarinana. Tsy misy afaka manampy antsika hanohitra ilay fahavalo tsy mety sasatra sy hampilefitra ny fanoheran'ny fontsika afa-tsy ny fangorahana feno fitiavan'i Kristy sy ny fahasoavany ary ny heriny tsy hay tohaina. Inona no herintsika? Ny fifalian' i Jehovah. (...) 

Andeha isika hisaotra an' Andriamanitra isan'andro noho ireo fitahiana azontsika. Raha toa ny olombelona mampietry ny tenany eo anatrehan'Andriamanitra (...) noho ny fahatsapany ny tsy fahafahany manao ny asa tokony hatao mba hanadiovana ny fanahiny, raha toa izy tsy mihevitra ny fahamarinany ho zavatra, dia hitoetra ao am-pony i Kristy. Hiasa Izy mba hamorona olom-baovao, ary hanohy izany asa izany mandra-pahatonga ilay olona ho tanteraka ao Aminy. (...)

Rehefa mibanjina an'i Kristy ny olona izay mikatsaka ny fahamarinana, mba hanahaka Azy, dia hitany amin'izany fa tanteraka ny foto-kevitry ny lalan'Andriamanitra ka manjary tsy mianina amin'ny zavatra tsy manana fahatanterahana izy. ( ...) Fantany fa misy hery mahavonjy izay hampandresy azy amin'ny ady ao amin'ny Mpanavotra. Hampahery azy sy hanampy azy ny Mpamonjy rehefa manatona mba hitalaho fahasoavana sy fahombiazana izy. - RH, 31 Marsa 1904.

 Tsy mba hanao tsirambina velively ny asa napetraka eo an-tanany i Kristy. Hampahafantariny amin'ny mpianatra manolo-tena tanteraka ny amin'ny fo feno faharatsiana lalina sy voapentim-pahotana ary mitotongana izay iasany. Izay tena mibebaka marina dia mahalala ny maha tsinontsinona ny fiheveran-tena ho zavatra. Hijery an'i Jesosy izy ka hahita ny fahasamihafan'ny toetrany be kilema amin'ny toetra lavorarin'ny Mpamonjy, ary hiteny hoe: "Tsy misy na inona na Mona sarobidy eto an-tanako, afa-tsy ny hazo fijalianao izay hifikirako." - RH, 31 Marsa 1904.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal