Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zavatra rehetra ho an'ny Kristianina

Daty
Sabotsy 28 February 2026

"Fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra." - Kôl. 3:11.

Mofon’aina:
I Kristy, ilay Mpamonjy sarobidy, no tokony ho zava-drehetra ho an'ny Kristianina. Ny fisainana masina rehetra, ny faniriana madio rehetra, ny tanjona araka an'Andriamanitra rehetra, dia avy amin'Ilay fahazavana sy fahamarinana ary lalana. (...) "Voahombo miaraka amin Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak 'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy." - Gal. 2:20. (...)

Noho ny herin'ny fitiavany no nandraisany ny toerantsika eto amin' izao rehetra izao sy nanasany ny Mpanapaka ny zavatra rehetra mba handray Azy ho Solontenan'ny taranak'olombelona. Noraisiny am-po izay mahakasika antsika (...). Nentiny ny fahamelohan'ny olona sy ny famaizana azy ireo, ary fanatitra tanteraka no natolony ho an'Andriamanitra amin' ny anaran'ny olombelona. Noho ny amin' izany fanavotana izany, no ananany fahefana hanome ho an'ny olona fahamarinana tonga lafatra sy famonjena feno. Izay rehetra mino Azy ho Mpamonjy ny tenany manokana dia tsy ho very fa hanana ny fiainana mandrakizay. - Ms 13, 1892. 

Miray fo amin'ireo vahoaka nofidiny sy zahan-toetra i Jesôsy. Asehony fa mikasika Azy manokana izay mahakasika azy ireo. (...) Rehefa avy niresaka momba ny fifandraisany amin'ny olony tamin'ny fomba samy hafa Izy, dia nanambara fa amin'ny andro lehibe fitsarana dia hitsara ny asa rehetra toy ny natao Taminy Izy.

Tsy manam-paharoa ny firaisam-pony amin'ny vahoakany. Tsy mijanona ho mpitazana fotsiny izay tsy miraika amin'ny fahoriana mety atrehin'ny vahoakany Izy. Tsy izany, fa miray fo amin'izay manjo azy ireo sy ny fahoriany Izy. Raha iharan'ny tsy rariny, na endrikendrehina, na koa atao tsinontsinona ny vahoakany, dia voarakitra any amin'ny bokin'ny lanitra ho toy ny nahatra Taminy ireo fahoriana ireo. - Ms 13, 1892.

 Tahaka izao ny fomba ilazan'ny Apôstôly ny tombontsoa sy ny fitahiana raisin'ny zanak'Andriamanitra: "izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-miafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra." - Kôl. 1:27. (...) - Ms 13, 1892.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal