Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andeha isika hangataka Aminy

Daty
Alahady 01 March 2026

 "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin 'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an 'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany." - Jak. 1:5.

Mofon’aina:
Tombontsoa ho an'ny Kristianina tsirairay ny   miresaka am in 'Andriamanitra ao amin'ny mangingina raha vao manomboka ny tontolo androny, ary avy eo, ny miresaka amin'ny hafa amin'ny maha mpitondra hafatr'Andriamanitra azy. Mila mandray fahazavana sy fitahiana isan'andro isika mba hanan-javatra hozaraina amin'ny hafa. Ilaina ankehitriny ny lehilahy sy vehivavy mifandray amin'Andriamanitra sy manana an'i Kristy mitoetra ao anatiny, izay manana hery miasa mangina feno fahamasinana satria miara-miasa amin'ireo anjely masina. (...)

 Rehefa mandohalika sy mitalaho eo anatrehan'Andriamanitra ny mpino, ka maneho ny fangatahany amim-panetren-tena sy fo torotoro, amin'ny teny tsotra sy marina, dia manjary hadinony ny momba ny tenany. Inona no tokony hananako mba hamolavolako toetra tahaka ny an'i Kristy? Izany no mameno ny sainy. Hivavaka toy izao izy: "Tompo ô! Raha ilainao ho fantsona hikorianan'ny fitiavanao isan'andro sy isan'ora aho, dia mangataka amim-pinoana ny fahasoavana sy ny hery efa nampanantenainao ho ahy." Fikiriny mafy ilay teny fikasana hoe: "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin 'Andriamanitra (..) ary dia homena azy izany." 

Tena ankasitrahan'Andriamanitra ny fiankinantsika Aminy toy izany! FM}, Izy mandre ny vavaka mafana ataontsika tsy tahaka! (...) Amin'ny haren'ny fahasoavany mahagaga no hanamasinany ny mpivavaka feno fanetren-tena, ka omeny hery izy mba hahatanteraka ny andraikitra sarotra indrindra. Atao ho an'ny Tompo avokoa ny asa rehetra, ka manandratra sy manamasina ny fanompoana hatramin'ny bitika indrindra izany. Manjary manana fahamendrehana vaovao ny teny rehetra sy ny fihetsika rehetra, ary mifandray amin'ny anjely ambony indrindra any an-danitra ny mpiasa tsotra indrindra. (...) 

Manana asa lehibe atao eto amin'izao tontolo izao ireo zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra. (...) Natao hampiely fahazavana izy ireo. (...) Ny tenin'i Kristy no hambaran'izy ireo. Ho hita amin'ny fiteniny sy ny fihetsiny fa voaova fo isan'andro ho amin'ny foto-kevitry ny fahamarinana izy ireo. Zava-mahagaga dinihin' izao tontolo izao sy ny anjely ary ny olona ny mpino toy izany, ary homem-boninahitra ao amin'izy ireo Andriamanitra. - RH, 4 Marsa 1909. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal