Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misy zavatra kely loatra

Daty
Alahady 08 March 2026

 "Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy." - Fit. 3:25.

Mofon’aina:
Vitsy ihany ireo mahatakatra tsara na manome lanja araka ny tokony ho izy ny tombontsoa sarobidin'ny vavaka. Tokony hanatona an'i Jesosy isika ary hilaza Aminy izay ilaintsika. Azontsika entina eo Aminy ny zava-madinika manahirana ny saintsika, tahaka ireo olana lehibe kokoa. Na inona na inona mampitebiteby na mahakivy antsika, dia tokony hoentintsika eo amin'ny Tompo amin'ny alalan'ny vavaka izany.

Fitahiana sarobidy maro no verin-tsika amin'ny tsy fanaovantsika izany. Izy Ilay Mpanolo-tsaina mahagaga. Manan-danja lehibe Aminy ny fiangonana, ary amim-pitiavana sy fangorahana no ijereny azy. (...) 

Aza mitsahatra mivavaka. Raha mitaredretra ny val i ny dia andraso ihany. Apetraho eo an-tongotry ny Mpamonjy ny drafitrao rehetra. Aoka hahery hivavaka arnin'Andriamanitra ianao. Raha ho von inahitr' A ndriamanitra izany dia hotononina ireto teny manome toky ireto hoe: "Aoka anie ho tonga aminao araka ny teninao."

Tsy hanasatra an'i Kristy velively ny fitalahoantsika mafy indrindra. (...) Aoka ny molotsika tsy hamoaka fitarainana. Finoana sy herim-po no resaho eo am-piandrasana Azy (...) Tandremo ny fisalasalana, andrao ho tonga fahazaran-dratsy hamono ny finoana izany. Mety hanjavozavo sy tsy hay hazavaina ny fitondran'ny Raintsika any an-danitra, fa tsy maintsy mitoky Aminy isika na izany aza. — L, 123, 1904. 

Oh, sarobidy loatra i Jesosy ho an'izay matoky Azy! Saingy maro no mandeha amin'ny maizina satria nandevina ny finoany ho eo ambanin'ny alok'i Satana. (...) Tsy azontsika atao mihitsy ny mamela an'i Satana hihevitra fa ny heriny manakivy sy misompatra antsika dia lehibe kokoa noho ny herin' i Kristy manandratra sy mampahery. (...)

Miharo amin'ny rani Kristy mahavonjy ny vavaka tsirairay atao amin'ny fo marina. Raha tsy mivaly eo no ho eo ny vavaka dia satria tian'Andriamanitra hanana fahasahiana masina hitaky Aminy ny teny fikasana isika. Mahatoky Ilay nanao ny teny fikasana. Tsy handao na oviana na oviana ny fanahy izay manolo-tena tanteraka ho Azy Izy. — Ms, 19, 1892. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal