Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mangataha amim-pinoana

Daty
Alahady 15 March 2026

 «Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany.» - Mar. 11:24.

Mofon’aina:
Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho anrny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?» - Mat. 7:11. Omen'Andriamanitra maimaimpoana ho antsika izany. Indrisy fa malemy ny finoantsika ka tsy mahazo izany teny fikasany tsara sy be voninahitra izany! (...) Manana ny fahendrena faratampony sy hery tsitoha Izy, ary hanome malalaka ho an'izay rehetra mangataka amim-pinoana. Be famindram-po, malemy fanahy, manam-paharetana, ary be fitiavana lavitra noho ny ray aman-dreny eto an-tany Izy.

Voatokana ho amin'ny tanjona ambony sy masina ny mpino an'i Kristy. (...) Voantso araka ny sitrapon' Andriamanitra, natokana tamin'ny alalan'ny fahasoavany, notafiana ny fahamarinan'i Kristy, nofenoina ny Fanahy Masina, ary manolotra fanatitra amin'ny fo torotoro sy mangorakoraka ny tena mpino marina, koa dia solontenan'ny Mpanavotra tokoa izy.

Mahafaly an'Andriamanitra ny mpivavaka toy izany. Ataony mamira-piratra ao amin' ireo efitrefitry ny saina sy ao amin'ny tempolin'ny fanahy ny fahazavany raha toa ka miditra ao amin'ny efitranony ny olona, miaraka amin'ny tsy fananany fahendrena, ka mivavaka sy mangataka fahendrena amin'llay manome malalaka ny olona rehetra sady tsy mandatsa. Izao no teny fikasana: «homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entininy rivotra ka atopatopany.» - Jak. 1:5,6. (...)

Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino. Tsy misy ho diso fanantenana izay rehetra manatona ny Tompo amin'ny fo tsotra. Mahagaga tokoa ny fahafahantsika mivavaka sady misy mihaino! Olona mety maty, tsy mendrika sy be fahadisoana no manana fahafahana maneho ny fangatahany amin'Andriamanitra! 

Inona moa no fahefana tadiavin'ny olona mihoatra noho ny hoe mifandray amin'Ilay Andriamanitra mandrakizay? Manana tombontsoa hiresaka amin'ny Mpamorona azy ny olombelona malemy sy mpanota. Tafapaka any amin'ny seza fiandrianan'Ilay Mpanjakan'izao rehetra izao ny teny aloaky ny vavantsika. Mamboraka ny hetahetam-ponts i ka ao an'efitranontsika isika, ary avy eo, miara-mandeha amin'Andriamanitra tahaka an'i Enoka. — RH, 30 Oktôbra 1900. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal