Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toeram-pivavahana amin'ny mangingina

Daty
Zoma 20 March 2026

 "Ny mitoetra ao Amin'ny fierena izay an'ny Avo indrindra dia monina eo ambanin 'ny aloky ny Tsitoha." Sal. 91:1.

Mofon’aina:
Misokatra mandrakariva ny lalana mankeo amin' ny seza fiandrianan' Andriamanitra. Tsy vitanao ny mandohalika tsy an-kiato eo am-pivavahana, fa azonao atao kosa ny manandratra tsy tapaka ny fangatahanao mangina hery sy fitarihana avy amin'Andriamanitra. Rehefa alaim-panahy ianao — ary tsy maintsy ho avy izany —dia afaka mandositra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra ianao. Ny sandriny mandrakizay no hanohana anao. – CH, t. 362.

Fiantsoana manokana no ankanesan-tsika eo amin'Andriamanitra, ary miandry lzy handray antsika ao amin'ny efitry ny voninahiny (...). Mety ho tafiditra amin'ny fifankahazoana akaiky indrindra, sy ny firaisana amin' Andriamanitra izany isika. – S, t. 116.

 Mivavaha amin'ny fo manetry tena. Tadiavo matetika amim-bavaka ny Tompo. Rehefa ao amin'ny mangingina ihany no mahita an'i Jesôsy ny maso, ary vonona hihaino Azy ny sofina. Monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha ianao rehefa avy mivavaka ao amin'ny mangingina. Tonga ny fakam-panahy, fa ianao kosa mihamanakaiky an'i Jesôsy hatrany, ary mametraka ny tananao eo an-tanany. Dia hanao fanandramana sarobidy ianao, hahita fitsaharana ao amin'ny fitiavany sy hifaly noho ny famindrampony. Hanjavona ny tebiteby sy ny fisavorovoroana mbamin'ny ahiahy, ary ho sambatra ao amin'i Jesôsy Kristy ianao. Vonona hihaino ny feon'ny Ray sy hifandray amin'Andriamanitra ny fanahy. Voaisotra ao amin'ny fanahy izay rehetra mety ho fanakianana sy fitsaratsarana ny hafa. (...)

 Ao amin'i Jesôsy Kristy no anomezana hanitra ny toetra. Ao Aminy no ivelaran'ny fahamen-drehan-toetra, ny fahatsarana sy ny fahadiovana, satria arakany hibanjinanao Azy nohanahafanao ny endrik'i Kristy. Ry zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra, tsy maintsy mitovy Aminy isika; ary ao amin'io fifandraisana ety amin'Andriamanitra io no andraisan-tsika hery sy fitahiana avy any an-danitra mba hahafahantsika manao ny asan'Andriamanitra. (...)

Endrey ny hafaliantsika eo am-panompoana an'Andriamanitra! Endrey izany fiadanana sy fahafaham-po ary fitsaharana! Ankohonana sy zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra isika! "Nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika (...)" - 1 Jao. 3:2. Eo anatrehan'ny fanantenana sy ny fifandraisana tahaka izany, ary manoloana izany tombontsoa sarobidy rehetra izany, tsy tokony hanam-pinoana bebe kokoa ve isika? Tsy tokony ho feno fanantenana sy herim-po ve isika, ka tsy ho kivy fa haharitra tsara ao anatin'ny zava-tsarotra? – L, 110, 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal