"Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon 'ny ratsy." - 2 Tes. 3:3
Mofon’aina:
Firifiry moa ireo mamakivaky ny fiainana eo ambanin'ny rahon'ny fanamelohana! Tsy mino ny Tenin'Andriamanitra izy ireny. (...) Maro amin'ireo maniry ny hahita ny hafa hitsahatra ao amin'ny fitiavan'i Kristy izay mamela heloka no tsy mitoetra akory ao amin' izany fitsaharana izany. Ahoana àry no hitarihany ny hafa haneho finoana tsotra toy ny an'ny zaza (...) raha toa izy ka mandrefy ny fitiavan'ny Ray amin'ny alalan'ny fihetseham-pony?
Andeha isika hatoky tanteraka ny Tenin'Andriamanitra ka hahatsiaro fa zanany lahy sy zanany vavy isika. Andeha isika hanazatra ny tenantsika hino ny Teniny. Mandratra ny fon'i Kristy isika rehefa misalasala, satria efa nasehony antsika ny porofon'ny Fitiavany. Efa natolony ny ainy mba hamonjena antsika. Hoy Izy amintsika: "Mankanesa aty amiko, (…) fa Izaho no hanome anareo fitsaharana." Inoanao ve fa hanao araka izay nolazainy Izy? Raha izany, (...) aza lanjaina intsony ny enta-mavesatry ny fahotanao fa apetraho eo amin'ny Mpamonjy izany. Matokia Azy, tsy efa nampanantena ny hanome fitsaharana anao va Izy? Indrisy fa olona maro no tsy maintsy ilazany izao teny izao: "Kanefa tsy mety manatona Ahy hianareo hanananareo fiainana." - Jao. 5:40. - RH, 28 Febroary 1907.
Banjino i Kristy. Diniho ny momba ny Fitiavany sy ny Indrafony. Hameno ny fanahinao amin'ny faharikorikoana manoloana ny fahotana rehetra izany ary hiteraka faniriana lalina ny fahamarinan'i Kristy. (...) Ekeo eo amin'i Kristy ireo fahotanao, ary miaraha miasa Aminy amin'ny fanahy mangorakoraka ka ario ireo fahotana ireo. Inoy fa voavela izany. Fa izao ny teny fikasana mahafinaritra azontsika: "Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin 'ny tsifaharnarinana rehetra." - 1 Jao. 1:9. (...)
Atodiho eo amin'i Jesosy ny fijerinao; banjino Izy, Ilay feno fahasoavana sy marina. Hampandalo ny fahatsarany eo anoloanao Izy ary hanafina anao ao an-tsefatsefaky ny harambato. Hahazaka ny fahitana Ilay tsy hita ianao, ary hanova anao ny fibanjinana Azy. - RH, 28 Febroary 1907.