"Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao." - Isa. 41:13
Mofon’aina:
Nandritra ny herinandro vitsivitsy izay dia nahatsapa fifandraisana lalina tamin'ny teny fikasan'Andriamanitra sy ny fanantenan' ny Kristianina aho. ( ... ) Toy ny efa vonona hirotsaka amintsika ny andon'ny lanitra mba hamelombelona antsika, raha toa raisintsika ho an'ny tenantsika ireo teny fikasana. Tsy ho vitantsika ny handresy ny fironana voajanahary ao anatintsika raha tsy eo ny fanampiadny Lanitra, ary koa raha tsy eo anilantsika i Jesosy mba hanampy antsika amin'izao asa izao. Hoy Izy: "sly, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny ,fahataperan'izao tontolo izao." -Mat. 28:20. (...) Aoka ny finoantsika hamikitra amin'ny teny fikasana. (...)
Tsy zava-maivamaivana ny hoe mino an'i Jesosy. Maro ny olona manao hoe: "Minoa, mino an'i Jesosy fotsiny no ilainao atao." Nefa mahasoa antsika ny manontany hoe: Inona no takin'ny finoana? Ary mahafaoka inona avy izany?
Maro loatra amintsika ny. manana finoana anarany fotsiny saingy tsy mampiseho izany eo amin'ny toetrany.
(...) Finoana izay miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fo no ilaintsika ananana, ka izany finoana an'i Kristy izany dia hitarika antsika hahafoy izay rehetra tsy ankasitrahany. Raha tsy manana izany finoana miasa izany isika dia tsy misy soa azontsika na dia kely aza. Mety ekenao fa Mpamonjy izao tontolo izao i Kristy, nefa Mpamonjinao ye Izy? Inoanao ye anio fa hanome anao hery sy tanjaka hoenti-mandresy ny kileman-toetranao rehetra Izy? (...)
Samy tokony hianatra ny leson'ny fitokiana amin'ny Mpamonjy ny tsirairay avy amintsika. Aoka isika hatoky Hay Raintsika any an-danitra toy ny fitokian'ny zaza ny rainy sy ny reniny, ary aoka isika Nino fa ataony miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra. Aoka hinoantsika fa ny hiakan'ady sy ny ezaka tsirairay atao ho fanoherana ilay fahavalon'ny fanahintsika dia reniny sofin' ilay Andriamanitra Tompon'ny tafika, ary hanampy antsika Izy amin'ny fotoana rehetra ilantsika izany. (...)- Ms 5, 1886.