"Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao. Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan 'alina ." - Sal. 63:5,6
Mofon’aina:
[Nosoratana tao anatin'ny fotoana lava niatrehana aretina sy fanaintainana, raha tany Aostralia ny mpanoratra].
Ora maro no laniko tao anatin' ny tsy fahitan-tory sy ny fanaintainana, nefa novelombelomina tao an-tsaiko indray (...) ireo teny fikasan' Andriamanitra sarobidy. Akaiky ahy tokoa ny Mpamonjy malala, ary tiako ny mandinika ny fitiavan i Jesosy. Ny indrafony feno fitiavana sy ireo lesona nampianariny ny mpianany dia mazava sy manan-danja ka manolotra ny manan'ny lanitra ho sakafon'ny fanahy. (...) Rehefa hitan'ny Tompo fa mety ny hilazana hoe: "Miandrasa eto, amim-paharetana, ary mandiniha", ary rehefa mampahatsiahy ahy zava-tsarobidy maro (...) ny Fanahy Masina, dia tsy mahita antony tokony himonomononana aho. ( ...) Mitamberina ao an-tsaiko ireo andalan-teny izay nampahery ahy imbetsaka raha tao anatin'ny fahoriana aho.
"Tsy hitako izay eo alohako, raha miditra amin'ny taona vaovao aho; nefa ny lasa dia teo ambany fitantanan'Andriamanitra, ary ny hoavy hohazavaidny famindrampony.
Izay toa maizina eny lavitra dia hihamazava rehefa manatona aho.
"Ry tsy fahalalana feno fiadanana sy fifaliana; mahasoa ny tsy mahalala; mampitony ahy eo amin'ireo sandry mahery izay mamihina ahy izany, ary manankina ny fanahiko malahelo eo an-tratran'Ilay tia ahy fatratra. "Koa tsy mampaninona ahy ny tsy mahalala, aleoko mandeha ao amin'ny haizina miaraka amin'Andriamanitra, toy izay mandeha irery ao amin'ny mazava. Aleoko mandeha miaraka Aminy amin'ny finoana, toy izay mandeha irery amin'ny fahitana. "Mihorohoro ny foko eo anatrehan'ny fitsapana izay mety hiseho amin'ny hoavy, Nefa tsy misy zava-mahory hanjo ahy izay tsy efa nofidin'ny Tompo malala. Koa tsy hitomany aho fa hibitsibitsika hoe: `Izy no mahalala."' - Ms 40, 1892.