Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amin'ny fotoan-tsarotra, matokia

Daty
Alahady 26 April 2026

"Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao amin 'ny vala, ary tsy misy omby ao am-pahitra, nefa izaho dia mbola hifaly amin 'i Jehovah ihany sy hiravoravo amin 'Andriamanitry ny famonjena ahy." - Hab. 3:17,18

Mofon’aina:
Ny zanak'Andriamanitra dia afaka mifaly amin'ny zavatra rehetra sy amin'ny fotoana rehetra. Raha tonga ny olana sy ny fahasahiranana, dia afaka mifaly ihany ianao noho ny finoana ny fitondran' Andriamanitra feno fahendrena. (...)

 Aoka ny efitranon'ny fahatsia-rovanao ho voaravaka sary feno fahamasinana, ka ho hita ao i Jesosy sy ireo leson'ny fahamarinany ary ny hatsarany tsy manam-paharoa. Raha voaravaka toy izany ny efitranon'ny fahatsiarovana, dia tsy hoheverintsika ho tsy zaka ny anjarantsika; tsy hiresaka momba ny fahadisoan'ny hafa isika, fa i Jesosy sy ny fitiavany no hameno ny fanahintsika. Tsy haniry ny hibaiko an'Andriamanitra momba izay fomba tokony hitantanany antsika isika. Ho tia Azy indrindra isika ary ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Rehefa feno ny fifalian' i Jehovah ny fo, dia tsy hikobona izany ianao fa haniry hilaza amin'ny hafa ny amin'ny harem-be vao hitanao; hiresaka momba an'i Jesosy (...) ianao.

 Tokony hanokana ny zava-drehetra ho Azy isika. Aoka ny saintsika hozarina handinika momba ireo zavatra manome voninahitra an'Andriamanitra; ary raha atolotra ho an'Andriamanitra ny herin'ny fisainantsika dia hihatsara ny talentantsika ary hihamitombo hatrany ny fahaizantsika manompo ny Tompo. Ho tonga fantsona hitondra fahazavana ho an' ny hafa isika. (…)

Rehefa mifandray amin'Andriamanitra isika, dia ho tonga mazava tanteraka ao Aminy satria tsy misy haizina ao Aminy. - RH, 11 Febroary 1890.

Rehefa mianatra ny momba an'i Kristy isika, dia hahatakatra ny fomba hihazonana ny herintsika ara-panahy, hihinana ny Tenin'Andriamanitra isika, ary hanana fanandramana feno fitahiana, izay voalazan'ny apostoly tahaka izao: "Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin 'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra." - 1 Pet. 1:8.- RH, 11 Febroary 1890. 

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal