"Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain 'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon 'Andriamanitra." - Heb. 10:36
Mofon’aina:
Ny teny fikasan'Andriamanitra dia toy ny voninkazo sarobidy manerana ny zaridaina iray. Irin'ny Tompo ny hijanonantsika eo sy handinihantsika azy akaiky, ny hankafizantsika ny hatsarany sy hankasitrahantsika ny fahasoavana izay arotsak'Andriamanitra amintsika amin' ny fanomezany izay rehetra ilaintsika. Raha tsy mandalina ireo teny fikasan'Andriamanitra isika dia tsy hahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra feno fahasoavana sy ny fangorahany antsika (...). Tiany ny fanahy raha miantehitra Aminy amim-pinoana (...).
Aoka ny fangatahantsika hamakivaky ny raho-mainty alefan'i Satana hanakona antsika, hanagorobaka izany ny finoantsika ka hahatratra ny seza fiandrianan'Andriamanitra izay voahodidin 'ny avan'ny teny fikasana, izay antoka milaza amintsika fa marina Andriamanitra ary tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana ao Aminy. Mety mitaredretra ny fahitantsika ny valiny, saingy tsy izany velively. Ekena ny fangatahantsika, ary homena ny valiny amin'ny fotoana mahasoa indrindra ilay mpanao fangatahana (...). Manclrotsaka ny fitahiany eny amin'ny lalantsika Andriamanitra mba hanazava ny diantsika mankany an-danitra. (...)
Aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny famindram-po amim-panajana fatratra, ka hahatsiaro ireo teny fikasana nomen'Andriamanitra, handinika ny fahatsaran' Andriamanitra, ary hanandratra fiderana feno fisaorana noho ny fitiavany tsy miova. Aoka isika tsy hitoky amin'ny vavaka voafetra ataontsika fa hatoky kosa ny tenin'ilay Raintsika any an-danitra izay manome antoka fa tia antsika. Amin'ny finoana ny teny fikasana momba ny fitiavany tsy miova no itondrantsika ny fangatahantsika eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana. Mety hizaha toetra ny finoantsika ny fiandrasana, kanefa ny mpaminany efa nanome toromarika antsika ny amin'izay tokony hatao: "Iza aminareo no matahotra an Jehovah ka mihaino ny feon 'ny mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin 'Andriamaniny." Isa. 50:10.
Miandrasa an'i Jehovah ; efa nampanantena Izy ary Izy no antoka amin' izany. (...) Izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana dia homena fahafaham-po. - RH, 19 Novambra 1895.