Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aza miantehitra amin'ny fihetsehampo

Daty
Alarobia 29 April 2026

 "Aoka hohazonintsika mafy  ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana)." - Heb. 10:23

Mofon’aina:
Ny fivavahan'i Kristy dia tsy fivavahan'ny fihetsehampo fotsiny. Ny fihetsehampo dia tsy azonao ianteherana ho porofo fa eken'Andriamanitra ianao, satria miovaova izany. Aoka ny tongotrao hifahatra arnin'ireo fampanantenan'ny Tenin'Andriamanitra (...) ary hianatra hiaina amin'ny finoana. -RH, 5 Mey 1891.

Raha vao manomboka mifantoka amin'ny fihetsehampony ny olona iray, dia eo amin'ny faritany mampidi-doza izy. Rehefa faly izy dia matoky tena fatratra ary manana fihetsehampo tsara. Hiova anefa izany. Miseho ireo toe-javatra izay mitondra fahaketrahana sy alahelo ka hanomboka hisalasala ho azy ny saina raha eo anilany Andriamanitra na tsia.

Aoka tsy ny fihetsehampo, na tsara izany na mahakivy, no hisedra ny fiainantsika ara-panahy. Ny tenin'Andriamanitra no antony tokony hijoroantsika. Mahavery hevitra olona maro ny fianteherana amin'ny fihetsehampo. (...)

"Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny ,fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin 'ny tsi-fahamarinana rehetra." - 1 Jao. 1:9. Nahoana ary isika no manala baraka an'Andriamanitra amin'ny fisalasalana ny amin'ny fitiavany izay mamela heloka? Rehefa avy niaiky ny fahotanao ianao, dia inoy fa tsy inety diso ny tenin'Andriamanitra; mahatoky amin'ny fampanantenany Izy. Adidinao ny mino fa hanatanteraka ny Teniny Andriamanitra ka hamela ny helokao, tahaka ny maha adidinao ny miaiky ny fahotanao. Aoka ianao hino [lay Andriamanitra izay hanao araka ny nolazainy; hamela ny tsy fahamarinanao rehetra Izy. (...)

 Firifiry moa ireo mandeha amin'alahelo, manota izy ary mibebaka avy eo, nefa mbola eo ambanin'ny rahon'ny fanamelohana mandrakariva! Tsy niino ny tenin'Andriamanitra izy ireo. Tsy inoany fa hanao marina araka izay nolazainy Izy. (...) Mandratra ny fon i Kristy ny fisalasalanao, satria efa noporofoiny ny fitiavany tamin'ny nanolorany ny ainy hamonjena antsika, mba tsy ho very isika fa hanana fiainana mandrakizay. - L 10, 1893.

Aoka isika hatoky, ary hanabe sy hanazatra ny fontsika hino ny tenin'Andriamanitra (...). - L 10, 1893.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal