Hitantsika ao amin'ny Gen. 3:9,10 fa Andriamanitra no nanao dingana voalohany nitady ireo zanany tratry ny fahalavoana. Sarintsarim-panontaniana ihany ny hoe "Aiza moa hianao?", satria efa fantatr'Andriamanitra izay nataon'i Adama sy i Eva ary fantany koa ny toerana nisy azy ireo. Kanefa ny fahotana dia nanapaka ny fifandraisana mahazatra nisy teo Aminy sy ireo mpivady voalohany ireo. Ny zava-dehibe tamin'Andriarnanitra tamin'izay dia ny famerenana indray ny fifandraisana amin'ireo zanany sy ny hihaona ireo ary ny hanome azy fanantenana tao anatin'ny famoizam-pony. Raha ny marina, ny matoanteny hebreo "miantso," ao amin'ny Gen. 3:9, dia matetika ampiasaina hilazana ny antson'Andriamanitra ho famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisany amin'ny olony.
Vakio ny Lio. 16:1142. Ahoana no anehoan'io fanoharana io ny sary hita ao amin'ny Gen, 3:9,10?
Maneho ny fitiavana tsy misy fepetra itiavan'Andriamanitra ny zanany ny nitadiavany an'i Adama sy i Eva. Tsy mba mahafoy antsika Andriamanitra (jereo ny Lio. 15). Manao izay rehetra azo atao Izy mba hamerenana amin'ny Iaoniny ny firaisany amintsika, eny fa na dia miafina aza isika. Talohan'ny nanomboana an'i Jesôsy tamin'ny hazo fijaliana, rehefa nanda Azy intelo i Patera, dia "nitodika" i Kristy ka "nijery' azy (Lio. 22:61). Na dia tsy niloa-bava aza Izy, dia "niteny" tamin'i Petera ary niezaka nikasika ny fon'ity mpianany diso lalana ity.
Mariho ao amin'ny Gen. 3:11-13 fa nanova tampoka ny fifandraisan'i Adama sy I Eva ny fahotana. Tsy niaiky ny fahotany manokana izy ireo fa nanomboka nifanome tsiny. Nanome tsiny an'i Eva i Adama, ary nanome tsiny ankolaka an'Andriamanitra noho ny nanomezany azy an'i Eva. Hoy izy: "Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho." - Gen. 3:12. I Eva indray nanondro ny menarana ho anton'ny tsy fankatoavany. Izao no fialan-tsiny nataony: " menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho." - Gen. 3:13. Tsy nisy niaiky ny fahadisoany izy ireo, farafahakeliny raha vao nampifanatrehana tamin'ny fahotany. Tsy mbola niova ny toe-javatra enina arivo taona aty aoriana.
Nahakasika ny olombelona rehetra tokoa ny fahotana. Voasoritsoritry ny apostoly Paoly tsara ny toerana misy antsika ao amin'ny Rôm. 7:15-24, rehefa miresaka mamba ny fahorian-tsaina ateraky ny faniriana hanao ny marina izy, nefa avy eo manao ny mifanohitra amin'izany: "Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko," - Rôm. 7:15.
Iza no afaka hilaza fa tsy toy izany?
Lalina tokoa ny hevitry ny tenin'i Paoly eto. Isika rehetra dia olona simban'ny fahotana ka manohy manao ny zavatra fantatsika fa tsy tokony atao. Iza no tsy mbola niaina izany?
Ambaran'i Paoly fa ny fanafahana "amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika" no hany fanantenana ho antsika (Rôm. 7:25). (zany no mahatonga an'Andriamanitra manohy mitady antsika mba hitarihany antsika ho eo amin'i Jesôsy; Izy fiery ihany no afaka mamolavola antsika hanahaka ny Endriny ary koa mamonjy antsika amin'ny fandringanana ateraky ny fahotana.