Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.

Daty
Alatsinainy 27 April 2026

I Jesôsy no ohatra tonga lafatra ho antsika amin'ny zavatra rehetra, anisan'izany ny momba ny fivavahana ataon'ny tena manokana. Inona no ambaran'ny Mar. 1:35 momba ny fotoana niarahan'i Jesôsy tamin'Andriamanitra?

Na dia andininy iray monja aza izany, dia lesona manan-danja no azontsika sintonina avy amin'ny ohatra nasehon'i Jesôsy. Vao mangiran-dratsy dia efa mitokana any amin'ny toerana mangina Izy mba hiresaka amin-dRainy. Azonao an-tsaina ve izany? Indro i Jesôsy mipetraka eo amoron'ny ranomasin'i Galilia na eo amin'ny havoana iray, mivavaka sy miresaka amin-dRainy raha mbola matory ny manodidina Azy rehetra. Ny fanoloran-tenan'i Jesôsy amin'ny vavaka no tena asehon'io andininy io, nefa hitantsika mazava ao amin'izany fa laharam-pahamehana ho Azy izany. Tsy isalasalana fa izany fotoana izany no nanome Azy hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra niainany. Raha i Jesôsy aza nila izany mialoha ny hanombohana ny andro tsirairay, mainka moa fa isika!

Hoy Jehôvah amintsika: "tadiavonareo ny tavako", ary antenainy ny hamaliantsika Azy hoe: "Eny, ny tavanao no tadiaviko" - Sal. 27:8.

Inona no ambaran'ny I Tant. 16:11 momba ny tokony hikatsahantsika ny Tavany?

Misy toerana azonao andehanana isa-maraina ve mba hiresahana amin' Andriamanitra? Mety ho seza iray manamorona ny varavarankely izany, na toerana mangina iray, na koa eo amin'ny latabatra ao an-dakozia, izay ahafahanao mipetraka isan'andro eo an-tongotr'i Jesôsy mba hianatra ny Tenin'Andriamanitra. Eo an-tongotr'i Jesosy no toerana tsara indrindra hipetrahana (Lio. 10:39-42). Raha ataonao fahazarana isan'andro ny mankeo amin'ny toerana manokana iray mba hiresaka amin'Andriamanitra, dia ho mora kokoa aminao ny hiverina eo isan'andro. Aza kivy raha sendra tsy afaka mankeo indray andro na indroa ianao, noho ny zavatra maika tokony hovitaina. Nefa aza aveia haharitra ny fotoana tsy iarahanao amin'Andriamanitra eo. Tsarovy fa ny fananana fifandraisana maharitra amin'Andriamanitra dia fanapahan-kevitra raisina isan'andro, azonao atao ny mandray izany fanapahan-kevitra izany indray anio, raha tianao. 
Hafiriana ny fotoana ianinao tamin'ny vavaka sy ny famakiana Baiboly tamin'ny herinandro? Inona no ambaran'ny valinteninao momba ny fanovana mety ilaina mahakasika ny Iaharam-pahamehanao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal