Na mazava aza fa nanana fifandraisana ety tamin'Andriamanitra i Enoka, dia be kokoa no fantatsika momba ny fifandraisan'i Mosesy tamin'Andriamanitra, ary maro ny tantara milaza ny fifampiresahan'i Mosesy tamin'Andriamanitra. Eo am-pandinihantsika ny fiainan'i Mosesy, na ny fiadanana na ny zava-tsarotra natrehin'ity mpitarika be fanetren-tena ity, dia hitantsika ombieny ombieny fa ny ampahany manan-danja indrindra teo amin'ny fiainany sy ny tsiambaratelon'ny fahombiazany tamin'ny nahampitarika manana toe-panahy araka an'Andriamanitra azy, dia ny fifandraisany tsy tapaka sy maharitra tamin'Andriamanitra.
Vakio ny Eks. 33:15-23. Inona no votoatin'ny resaka nifanaovan'i Mosesy tamin'ny Tompo, sy ny fomba nitondrany izany?
Alao sary an-tsaina hoe niresaka tamin'Andriamanitra sy mandre mazava nyfeony izany. Mahavariana fa tsy nitady izany karazana firaisana tamin'Andriamanitra izany ny Isiraelita, fa niangavy an'i Mosesy kosa mba hanelanelana azy amin'Andriamanitra (Eks. 20:18-21). Kanefa, efa nanomana an'i Mosesy ho amin'izany Andriamanitra, nanomboka tamin'ny fifampiresahan'izy ireo teo amin'ilay roimemy mirehitra, teo amin'io tendrombohitra io ihany. Hitantsika fa saika teo anatrehan'Andriamanitra mandrakariva i Mosesy, nangataka fitarihana sy nifona ho an'ny olona izay notarihiny.
Tamin'ny fotoana roa samy hafa dia nanao fanelanelanana ho an'ireo olona tao amin'ny ankohonany i Mosesy. Inona avy ireo toe-javatra nanodidina izany fanelanelanana izany, ary Inona no ho nitranga raha tsy niditra an-tsehatra nanao fampihavanana izy?
• Arona: Eks. 32:1-14,31-34, Deo. 9:20
• Miriama: Nom. 12:13
Ny tena mahavariana amin'ny fifandraisana tamin'i Miriama dia ity: i Mosesy no nomeny tsiny sy nialonany. Azon'i Mosesy natao tsara ny namela an'Andriamanitra hampihatra ny sazy mendrika an'i Miriama sy i Arona. Saingy nalaky namela heloka izy ary nifona mba ho sitrana ny anabaviny. Maneho taratra tokoa fly fahasoavan'Andriamanitra mamela heloka ny mpanota ny fihetsik'i Mosesy eto.
Vakio ny Mat. 5:44 sy ny Kol. 3:13. Ahoana no hianaranao manatanteraka izay voalaza eto? Nahoana no zava-dehibe ny fanaovanao izany?