Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ohatra ho antsika

Daty
Sabotsy 02 May 2026

«Fa ho amin 'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.» - 1 Pet. 2:21,22.

Mofon’aina: 
Mazava eo anatrehantsika ny tombontsoa mahagagan'ny fahafahantsika ho tonga tahaka an'i Kristy — mpankatô ny foto-kevitra rehetra ao amin'ny lalàn'Andriamanitra. Kanefa raha ny herin'ny tenantsika ihany dia tsy ho vitantsika velively ny ho tonga tahaka Azy. Avy amin'i Kristy avokoa izay tsara rehetra ao amin'ny olona. Ny fahamasinana lazain'ny Soratra Masina fa tsy maintsy ananantsika mba hahazoana mamonjy antsika dia vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra, rehefa milefitra amin'ny fifehezan'ny herin'ny Fanahin'ny fahamarinana isika.

Tsy mety ho tanteraka ny fankatoavan'nY olona raha tsy amin'ny alalan'ny hanitry ny fahamarinan'i Kristy, izay mahatonga ny asam-pankatoavana marina rehetra ho feno hanitra masina. Ny anjaran'ny Kristianina dia ny mitozo amin'ny fialana amin'ny ota tsirairay. Mita mivavaka mandrakariva amin'ny Mpamonjy izy mba hanasitrana ny fanahiny marary. Tsy manana fahendrena sy hery handresena izy fa ny Tompo no manana, ary omeny izay rehetra mangata-bonjy Aminy .amim-panetren-tena sy fo torotoro izany.

Asa maharitra sy mitohy ny fanovana ny tsy masina ho masina. Miasa isan'andro ho fanamasinana ny olona Andriamanitra, ary ny olona kosa mila miara-miasa Aminy amin'ny fanaovana ezaka amim-paharetana, amin'ny fikolokoloana fahazarana tsara. (...)

Mihoatra noho izay antenainy indrindra no omen'Andriamanitra ny olona matoky Azy. Tiany ho fantatsika fa rehefa manetry tena sy torotoro fo isika dia eo indrindra Izy no afaka maneho ny Tenany amintsika. Mahafaly Azy ny fitanisantsika ny famindrampony sy ny fitahiany tamin'ny lasa ho antony tokony handrotsahany fitahiana lehibe kokoa amintsika. Omem-boninahitra Izy rehefa tia Azy isika ka manambara ny fitiavantsika Azy marina amin'ny alalan'ny fitandremantsika ny didiny. Omem-boninahitra Izy rehefa atokantsika ho masina ny andro fahafito. Ho an' izay manao izany, (...) hoy Andriamanitra, ny Sabata dia "ho famantarana ho Amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy." — Ezek. 20:12. Ny atao hoe fanamasinana dia fahazarana mifandray amin'Andriamanitra. Tsy misy zava-dehibe sy mahery toy ny fitiavan'Andriamanitra ny zanany. —HP, t. 129. — RH, 15 Marsa 1905.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal