Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manorina eo amin'i Kristy

Daty
Alahady 03 May 2026

«Dia izao no lazain'i Jehôvah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.» - Isa. 28:16.

Mofon’aina:
Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesôsy Kristy» - 1 Kôr. 3:11. «Ary, tsy misy famonjena amin 'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin 'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena» - Asa. 4:12. Kristy, Ilay teny, Ilay manambara an'Andriamanitra (...), eo Aminy ihany no azontsika anorenana toetra izay haharitra.

Manorina eo amin'i Kristy isika amin'ny fankatoavana ny Teniny. Tsy izay faly fotsiny amin'ny fahamarinana, no marina fa izay manatanteraka ny fahamarinana. Tsy ny faharavoravoam-panahy tsy akory no fahamasinana, fa ny fametrahana ny zavatra rehetra kosa ho eo amin'Andriamanitra, sy ny fanaovana ny sitrapon'ny Raintsika izay any an-danitra.

 Ny fivavahana dia fanatanterahana ny tenin i Kristy: tsy fanatanterahana mba hahazoana sitraka amin'Andriamanitra tsy akory, fa satria, na tsy mendrika velively aza isika, dia nandray ny fanomezana, dia ny fitiavany. Tsy ny fiaikem-pinoana fotsiny no nataon i Kristy fototry ny famonjena ny olona, fa ny finoana izay miseho amin'ny alalan 'ny asam-pahamarinana. Tsy izay voakasiky ny Fanahy ny fony, na izay milefitra tsindraindray amin'ny heriny, no zanak ' Andriamanitra, "fa izay tarihin'ny Fanahin 'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra" - Rôm. 8:14. —RH, 31 Desambra 1908.

 Zanakalahy sy zanakavavin' Andriamanitra isika, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo. «Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony (...), fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin 'ny olona masina sady ankohonan 'Andriamanitra, natsangana teo ambonin 'ny fanorenan 'ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesôsy no fehizoro indrindra.» - Efes. 2:19,20. Tombontsoantsika izany. (...)

 Natao holanjaina eo amin'ny mizanan'ny fitoerana masina ny toetran'ny olona tsirairay; raha tsy mifanaraka amin'ireo tombontsoa sy fitahiana ny fivoarana ara-pitondrantena sy ara-panahy, dia asiana soratra hoe "latsa-danja" manadrify ny anarany. Ilay Fahazavan'izao tontolo izao no mpitarika antsika, ary mihamazava hatrany ny lalana, araka ny androsoantsika manaraka ny dian'i Jesosy. (...) Izay mandinika amim-panetren-tena ny toetran'i Jesôsy dia hitaratra ny endriny bebe kokoa hatrany. — RH, 19 Marsa 1895. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal