Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fenitra lehibe famantarana ny marina sy ny diso

Daty
Alarobia 06 May 2026

«Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin 'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin 'ny asa tsara rehetra.» - 2 Tim. 3:16,17.

Mofon’aina:
Ao amin'ny Tenin'Andriamanitra no ahitana izay rehetra ilaina ho amin'ny fanatanterahana ny olon'Andriamanitra. Toy ny trano firaketana harena izay feno zava-tsoa sarobidy sy soa izany, nefa tsy takatsika ny hasarobidiny sy ny ilantsika mampiasa ny raki-tsarobidin 'ny fahamarinana. Tsy tsapantsika ny maha zava-dehibe ny fandalinana ny Soratra Masina ho an'ny tenantsika. Maro no manao tsirambina ny fianarana ny Tenin'Andriamanitra noho ny fitadiavana tombontsoa ara-nofo na ny fanaranam-po amin'ny fialamboly tsy misy lanjany loatra. Oh, tsy aleontsika ve ny zavatra rehetra araka izao tontolo izao no ajanona toy izay ny fandinihana ny Tenin'Andriamanitra, izay mampahendry antsika ho amin'ny fiainana mandrakizay? Ilay boky ambonin'ny boky rehetra, izay «nomen 'ny tsindrimandrin ' Andriamanitra» (...) no mendrika indrindra ny fahalianantsika sy ny fanajantsika.

 Mifandray ety dia ety amie' izay mandinika marina ny Soratra Masina amin'ny fo ny Fanahin'Andriamanitra, eo am-pikatsahany ny fahamarinana nambara avy any an-danitra. Manokatra ny saina ny fahatakarana ny sitrapon' Andriamanitra nambara, manitatra, manandratra, ary manome hery vaovao amin'ny alalan'ny fampiraisana ny fahaizany amin'ny fahamarinana lehibe. (...)

Miankina amin'ny halalin'ireo lohahevitra ifankazarany ny fahatakaran'ny saina. Raha mianatra Baiboly ny olona rehetra, dia handroso kokoa ny vahoaka, hahay hieritreritra lalindalina kokoa, ary haneho faharanitan-tsaina kokoa noho ireo izay nandalina tamim-pahazotoana ny siansa sy ny tantaran'izao tontolo izao, fa tsy ny Baiboly. Ho an'izay mikatsaka amin-kitsim-po ny fahamarinana, dia manofana ny saina ho amin'ny fahamboniana ny Baiboly, ary mitombo ny faharanitan'ny sainy noho ny fibanjinany ireo zava-panahy; mietry ny «izaho», fa Andriamanitra sy ny fahamarinany nambara kosa no misandratra. - ST, 30 Janoary 1893.

Ny Baiboly no fenitra lehibe famantarana ny tsara sy ny ratsy, mamaritra mazava ny atao hoe fahotana sy ny atao hoe fahamarinana. Ireo foto-kevitra velona raketiny, izay toy ny kofehy volamena voatenona eo amin'ny fiainantsika, no fiarovana tokana ho antsika manoloana ny fitsapana sy ny fakam-panahy. — RH, 11 Jona 1908. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal