"Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan 'Andriamanitra sy trano arafitr 'Andriamanitra hianareo." 1 Kôr. 3:9.
Mofon’aina:
Maneho ny toetran'ny olombelona izay tokony ho voavolavola amin'ny lafiny rehetra io fanoharana io. Isan'andro Andriamanitra dia miasa manamboatra ny tranony, mikapokapoka mba hahalavorary ilay raft-trano, sy hahatonga izany ho ternpoly masina ho Azy. Mila miara-miasa amin'Andriamanitra ny olona, manovo ao amin'ny heriny mba hahatanteraka ny zava-kendren'Andriamanitra ho azy, manorina ny fiainany amin'ny asa madio sy ambony.
(...) Efa nanao sorona mahagaga ho an'ny taranak'olombelona Andriamanitra. Efa naneho hery lehibe Izy mba hamerenana ny olona hiala amin'ny fandikan-dalàna sy ny fahotana ho amin'ny fahatokiana sy ny fankatoavana. Tsy misy na inona na inona azony atao anefa raha tsy eo ny fiaraha-miasa amin'ny olombelona (...) Amin'ny alalan'ny ezaka mitohy no hahazoantsika fandresena eo anatrehan'ireo fakam-panahin'i Satana (...)
Tsy misy na iza na iza asandratra kanefa tsy nanao ezaka hentitra sy maharitra. Tsy maintsy mitolona ho an'ny tenany ny isam-batan'olona. Tompon'andraikitra eo amin'izay vokatry ny tolona isika, ary na dia tonga any amin'ilay tany vaovao aza i Noa sy i Daniela ary i Joba, dia tsy afaka ny hanafaka ny zanany lahy na ny zanany vavy amin'ny alalan'ny fahamarinan'ny tenany izy ireo (...)
Matetika ny fanofanana sy ny fanabeazana azo nandritra ny fiainana no tsy maintsy avela, mba ho tonga mpianatra ao amin'ny sekolin'i Kristy ny olona iray. Tsy maintsy beazina hiorina tsara ao amin'Andriamanitra ny fontsika. Mila mikolokolo eritreritra vonon-kanohitra ny fakam-panahy isika. Mila mianatra miandrandra ny lanitra isika. Mila mahatakatra ny fifandraisan'ireo fitsipika ao amin'ny Tenin ' Andri amanitra amin'ny fiainantsika isika, fitsipika izay avo tahaka ny lanitra sy mahafaoka ny fiainana mandrakizay. Tokony hifandrindra amin'ireo fitsipika ireo ny fihetsika, ny teny ary ny eritreritra tsirairay avy.
Tsy ao anatin'ny fotoana fohy monja no itomboan'ireo fahasoavana sarobidy avy amin'ny Fanahy Masina. Fanandramana mitombo anatin ' ny taona maro ny fananana herim-po, ny tanja-tsaina, ny halemem-panahy, ny finoana, ary ny fitokiana tsy voahozongozona amin'ny herin'Andriamanitra Amin'ny fananana fiainana feno ezaka masina sy fifidianana tsy ankiato ny fahitsian-toetra no tokony hanisian'ny zanak'Andriamanitra tombokase izay ho fiafarany. — RH, 28 Avrily 1910.