"Fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an 'i Kristy." - 2 Kôr. 10:5
Mofon’aina:
Na dia ny eritreritra aza dia tsy maintsy ampileferina eo ambanin'ny sitrapon' Andriamanitra, ary ny fihetsehampo eo ambanin'ny fifehezan'ny saina sy ny fivavahana. Ny saina nomena antsika dia tsy natao hivenjivenjy na handeha amin'izay tiany, ka tsy hanaraka fifehezana sy fitsipika. Raha ratsy ny eritreritra dia tsy ho araka ny tokony ho izy ny fihetsehampo, nefa ny eritreritra sy ny fihetsehampo no manefy ny fitondrantena. - RH, 21 Avrily 1885.
Sarobidy noho ny volamena avy any Ofira ny herin'ny fisainana marina. (...) Tsy maintsy manome lanja lehibe ny fifehezana ny eritreritra isika, satria izany no manomana ny saina sy ny fanahy hiasa amim-pirindrana ho an'ny Tompo. Mahasoa ho an'ny fiadanantsika sy ny fifaliantsika amin izao fiainana izao ny hifantohan'ny fisainantsika arnin'i Kristy. (...) Manimba ny fanahy ny eritreritra ratsy. Manova ny fo sy manadio ny fisainana ny herin'Andriamanitra izay manova ny fo. Raha tsy manao ezaka lehibe isika eo amin'ny fihazonana ny eritreritra hifantoka amin'i Kristy, dia tsy hiseho eo amin'ny fiainantsika ny fahasoavana. Tsy maintsy miatrika ny ady ara-panahy ny saina ka entina eo amin'ny fankatoavana an'i Kristy ny eritreritra rehetra. Tsy maintsy avela hofehezin'Andriamanitra ny fahazarantsika rehetra.
Aoka ho tsapantsika mandrakariva ny hery manandratra ananan'ny eritreritra madio sy ny hery miasa mangina manimban'ny fisainan-dratsy. Andeha isika hisaintsaina momba ny zava-masina. Aoka ny eritreritsika ho madio sy marina, satria izany no hany fiarovana ho an' ny fanahy rehetra. Tsy maintsy ampiasaintsika izay rehetra napetrak'Andriamanitra eo an-tanantsika mba hifehezana sy hanolokoloana ny eritreritsika. Asaina mampifandrindra ny fisainantsika amin'ny Azy isika. Ny fahamarinany no hanamasina antsika, (...) ka hahay handresy ny fakam-panahy isika. - L 123, 1904.
Ny fifehezana ny eritreritra, ao anatin ' ny fiaraha-miasaamin ' ny Fanahy Masina, no hanome antsika fifehezana ny teny. Izany no tena fahendrena, izay hiantoka ny fiadanan-tsaina sy ny fahafaham-po ary ny fitoniana. Hisy fifaliana ao amin'ny fibanjinana ireo haren'ny fahasoavan'Andriamanitra. -L 10, 1894.