"Manatòna an 'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina." - Jak. 4:8
Mofon’aina:
Loza mahonena ny fisalasalana. "Olona mima saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra." - Jak. 1:8. (...) Andeha hampiasaintsika amin'ny antony ny saina nomen'Andriamanitra antsika. Ny fitiavan-kaja, ny fieremana, ny fironana hanaraka ny lamaody sy ny fomban'izao tontolo izao, mba tsy hiheverana anao ho miavaka, dia hamafa tsy ho ela ny tsipika mampisaraka ny lalan'ny Kristianina sy ny fanaon'izao tontolo izao.
Tsy tokony hokolokoloina sy hampanaranina ny fitiavam-pahafina-retana. Rehefa hitan'ny olombelona, izay noforonina hanompo an' Andriamanitra, fa lany amin'ireo drafitra tsy misy ifandraisany amin'ny Tompo ny fotoany, dia mahasoa azy ny manontany hoe: Inona no tanjona tiako hiafarana? Ny fanompoana an'iza no tena mahafaly ahy? Inona no vokatr'izao hazakazaka ho amin'ny laza izao? - Ms 21, 1898.
Amin'ny maha mpitantana ny fananan'ny Tompo antsika, dia tsy maintsy tandrovintsika hadio ny tempolin'ny fanahy tsy ho azon'ny faharatsiana sy ny fahalotoan' izao tontolo izao. (...) Aoka ny talentantsika rehetra hampiasaina, aoka ny eritreritsika ho voafehy ary aoka ny herintsika rehetra hifandrindra amin'ny sain'Andriamanitra. Aoka isika Intafy ireo toetra araka ny Fanahy, hanahaka izay rehetra marina sy madio ary manandratra sy manome voninahitra; aoka isika hanao ny hatsarana rehetra ho modely ary hane ho ny fahatanterahan 'ny ankohonan'ny lanitra; aoka isika hahazo ny fanabeazana izay manomana antsika amin'ny fiombonana amin'ny fianakavian'ny Mpanjaka any amin'ny lapan'ny lanitra.
Tombontsoa ho antsika ny ho voaofan'ny tsindrimandry avy amin'ny Fanahy Masina. Ny toetra tsara rehetra dia natao hanamafy ny herintsika ara-moraly, mba tsy hisy loto na pentina hanaratsy azy. Manenona ny fiainantsika amin'ny tantaran'ny taranak' olombelona isika; tsy misy kofehin'ny fanandratan-tena tokony hotenomina ao amin' izany lamba izany. Ny lanitra manontolo no manolotra ny fanampiany mba hahafahantsika mihoatra ny sakana rehetra. (...) Aoka isika hanorina toetra araka an'Andriamanitra, ara-panahy, araka ny lanitra, tonga lafatra. Mibaiko antsika Andriamanitra mba hiasa ho amin'izao fotoana izao sy ho an'ny mandrakizay, mba hitombo amin'ny fanahafana Azy isika. - Ms 21, 1898.
Manahaka ny sain'i Kristy
"Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin Kristy Jesosy koa." - Fil. 2:5
Ny zavatra andrasan' Andriamanitra amin'ireo izay mitondra ny anaran'i Kristy dia ny hanehoan' izy ireo Azy (...). h-iny raha ho madio ny eritreritr'izy ireo ary manandratra sy mampahery ny teny sy ny asa ataony ka mitaona ireo manodidina azy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Tsy misy fitiavan-tena eo amin'ny fiainan'ny tena Kristianina marina. (...) Tsy nisy fitiavan-tena teo amin'ny fiainan i Kristy fony Izy teto an-tany. Nitafy nofo Izy nefa natokany tanteraka ho amin'ny fanompoana ny hafa ny Fiainany. "Koa amin 'izany aoka ho tanteraka hianareo." - Mat. 5:48; izany no tenin'Andriamanitra amintsika. Ary mba hahafahantsika mankatô ny teniny, dia nirahiny ny Zanany Lahitokana ho et-Y an-tany, mba hanana fiainana tonga lafatra, ho antsika. Eo anoloantsika ny ohatra nasehony, ary ny hery nentiny niaina izany fiainana izany dia omena antsika. Tsy nanana ota i Jesosy na tamin'ny fisainana na tamin'ny teny na tamin'ny asa. (...) Atorony antsika ny lalana nalehany, ka hoy Izy: "Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy." - Mat. 16:24 - RH, 23 Nôvambra 1905. (...) Tsy misy olombelona hendry tokony hataontsika idealy hotratrarina. I Kristy Jesosy no tokony hojerentsika; Izy no tanteraka amin'ny fahamarinana sy ny fahamasinana. Izy no Tompo sy Mpanefa ny finoantsika (...). Ny fanandramany no fatra-panandramana tokony hananantsika. (...) Koa aoka isika hanaisotra ny fisainantsika amin'ny zava-tsarotra sy ny olana misy eto amin'izao fiainana izao ka hifantoka Aminy (...) mba (...) hanahaka Azy (- -). Tsy maintsy manana fahalianana lalina amin'i Kristy Jesosy isika (...). Tonga teto an-tany Izy mba halaim-panahy amin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, mba hanehoana amin'izao rehetra izao fa azon'ny olona velona eto amin'ity tany feno fahotana ity atao ny miaina fiainana ankasitrahan'Andriamanitra. (...) Andeha isika hikatsaka ny fitahiana navelan'i Kristy ho azontsika (...) ka finoana velona sy miasa ary mitombo no hameno antsika — finoana izay mino ny teny fikasana hoe: "indro, Izaho momba anareo mandrakariva (...)" - Mat. 28:20 - RH, 9 Marsa 1905.