Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Teny feno fahasoavana 

Daty
Alatsinainy 22 June 2026

"Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra." Kol. 4:6

Mofon’aina:
Annankiray amin'ireo fanomezana avy amin'ny Fanahy Masina y hatsaram-panahy sy ny fahalalam-pomba. Toctran'ny lanitra izany. Tsy mba mihazakazaka ho amin'ny firehetam-po ny anjely, na mialona na koa tia tena. Tsy misy teny feno fahasiahana na haratsiam-panahy mivoaka ny vavan'izy ireo. Raha tiantsika ny hiaraka amin'ny anjely, dia tsy maintsy mandray toetra tsara sy feno fanajana isika.

Ny fahamarinan' Andriamanita dia natao hanandratra izay mandray azy, hanadio ny fitiavany ary hanamasina ny fomba fijeriny. Tsy misy olona ho tonga Kristianina raha tsy manana ny toe-tsain'i Kristy izay hiseho amin'ny toetra tsara sy ny fahalalam-pomba. Ho masina ny toetrany, ho mendrika ny fihetsiny ary tsy hisy fitaka ny teniny. Hitahiry fitiavana tsy mora tezitra, mahari-po sy malemy fanahy, izay manantena ny zavatra rehetra ary maharitra ny zavatra rehetra izy. (...)

 Izay mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy nefa tsy mahalala fomba ary ratsy fanahy sy tsy manaja dia tsy nianatra tamin'i Jesosy. (...) Mety tsy mampisalasala ny fahitsiany sy ny fahamarinany, kanefa izany dia tsy  ny tsy fisian'ny halemem-panahy sy ny fanajana ny hafa. (...)

Ny tena fahalalam-pomba marina, rehefa miharo amin'ny fahamarinana sy ny rariny, dia mahatonga ny fiainana tsy ho mahasoa fotsiny fa ho tsara tarehy sy feno hanitra koa. Ny teny feno halemem-panahy, ny fijery sanaka, ny endrika falifaly, dia mahatonga ny Kristianina hanintona ka tsy ho hay tohaina ny hery miasa mangina avy aminy. Rehefa hadinony ny "izaho" (...) dia mahita fifaliana tena izy izy.

Andeha isika tsy hihevitra ny tenantsika, fa hitady izay hampifaly ny hafa mandrakariva sy hanamaivana ny enta-mavesany amin'ny alalan'ny asa feno fahalemem-panahy sy fitiavana izay tsy mihevitra ny tena. Aza manonona teny mandratra; soloy firaisam-po feno fitiavana ny tsy firaharahana ny fahasambaran'ny hafa. Ireo fiheverana feno fahalemem-panahy ireo, izay miantomboka ao an-tokantrano ka mitatra any ivelany, dia miantoka amin'ny ampahany betsaka ny fahasambarana eo amin'ny fiainana, ary ny fanaovana tsinontsinona izany no mahatonga ny fiainana ho ory sy manjombona. - ST, 16 Jolay 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal