"Fa mitomboa amin 'ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena." - 2 Pet. 3:18.
Mofon’aina:
Mitatra isan'andro ny fanandramana kristianina marina, mitondra hery vaovao sy fahazotoana ho an' izay manana izany, ary mitarika ho amin'ny fitomboana tsy mitsahatra eo amin'ny fiainana ara-panahy. Saingy ny tontolo kristianina dia feno olona milaza ho mpivavaka nefa "zeny" ara-pivavahana raha ny marina. Maro no mihevitra fa nahavita ny fianarany kanefa vao ny abidim-pianaran'ny finoana kristianina monja no fantany. Tsy mitombo amin'ny fahasoavana na amin'ny fahalalana ny fahamarinana izy ireo. Tsy manao na inona na inona, na amin'ny fananany na amin'ny heriny, mba hanohanana ny asan'Andriamanitra izy. Izany sokaj in' olona izany dia tsy ho tafatoetra ela eo amin'izay misy azy: na izy ireo miova fo ka handroso, na hihemotra. (...)
Tsy maintsy manao ezaka manokana ianao mba hanatanterahana izay takin' Andriamanitra; ary ilainao amin' izany asa izany ny harena avy amin'ny fanandramana kristianina mitombo hatrany. Tsy maintsy matanjaka ny finoanao, feno ny fanoloran-tenanao, madio sy mahatoky ny fitiavanao, lehibe sy tsy mety sasatra ny hafanam-ponao, tsy voahozongozona ny herim-ponao, tsy reraka ny faharetanao, ary mamirapiratra ny fanantenanao. Samy manana andraikitra amin'izany ny rehetra (...).
Ny loza amin'ny andro farany dia hizaha toetra ny fahamarinan'ny finoantsika. (...) Hamely ny rehetra ny onjan'ny fakam-panahy mahery vaika, ka raha tsy miorina mafy amin'ny Vatolampy mandrakizay izy ireo, dia hopaohin'ny rano. Aza mihevitra fa afaka hanaraka ny riaka mora foana ianao. Raha manao izany ianao, dia azo antoka fa ho rembin'ireo famitahan'i Satana. Amin'ny alalan'ny fandinihana tsara ny Soratra Masina sy ny vavaka mafana ho fitalahoana ny fanampian'ny lanitra no hiomanan'ny fanahy hanohitra ny fakam-panahy. Ho ren'ny Tompo ny vavaka vokatry ny fo ataon ny fanahy torotoro ka hanangana faneva hisakana ny fahavalonao Izy. Kanefa hozahan-toetra ianao, ny finoanao, ny fitiavanao, ny faharetanao, ary ny fahatokianao. (...) (...)
"Ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoanisika." - 1 Jao. 5:4. - RH, 8 Janoary 1884.