Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.

Daty
Alahady 28 June 2026

Mampahafantatrany tenany ho apostolin'i Jesôsy "noho ny sitrapon'Andriamanitra" - 1 Kor. 1:1 (ampitahao amin'ny 2 Kor. 1:1) i Paoly eo am-panombohana ny epistiliny ho an'ny Korintiana. Mafy orina ny faharesen-dahatra nananany momba ny maha-izy azy ao amin'i Jesosy, hany ka saika izany mandrakariva no formba anombohany ny epistiliny rehetra.

Vakio ny 1 Kor. 1:1 sy ny Rom. 1:1. Inona ireo singa roa asongadina ao amin'ny fanompoan'i Paoly ao amin'ireo andininy Ireo? (Jereo koa ny Gal. 1:1.)

Miresaka ny amin'ny fiantsoana azy sy ny maha-apostoly azy i Paoly ho toy ny fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra. Resy lahatra izy fa tsy avy amin'ny olona ny fiantsoana azy, fa avy amin'Andriamanitra (Gal. 1:1). Tahaka an'i Jeremia dia efa nantsoin'Andriamanitra hatrao an-kibon-dreniny i Paoly (Jer. 1:5) ho fanehoana ny fahasoavan'Andriamanitra (Gal. 1:15), ary izany dia ny mba hitoriany ny filazantsaran'i Kristy any amin'ny jentilisa.

Ambaran'i Paoly ho isan'ireo nisehoan'i Kristy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty ny tenany ao amin'ny 1 Kôr. 15:8 (1 Kôr. 15:5-7). Any amin'ny andininy any aoriana, dia milaza izy fa vokatry ny fihaonany tamin'i Jesôsy ny fiantsoana azy ho apostoly (1 Kôr. 15:9-11).

Mahafaoka foto-kevitra maromaro ny anarana hoe "apostolin'i Jesôsy". Voalohany, ilazana olona izay nirahin'i Jesôsy izany. Ampiasain'i Paoly koa anefa io teny io hamaritana ny tenany ho mpanompon'i Kristy (Rôm. 1:1, Tit. 1:1, Gal. 1:10), ary koa ho mpitory teny sy mpampianatra (1 Tim. 2:7, 2 Tim. 1:11). I Kristy mandrakariva no misongadina na mitory izy na mampianatra. Raha tsorina, apostolin'i Jesôsy i Paoly.

Tsy ivon'ny maha-apostoly an'i Paoly fotsiny i Jesosy, fa ivon'ny flainany manontolo mihitsy. Feno ny fanatrehan'i Jesôsy ny fisainan'i Paoly sy ny fihetseham-pony. Porofon'izany ny firesahany imbetsaka momba an'i Jesôsy ao amin'ny teny fampidirana sy ny teny fisaorana ataony ao amin'ny 1 Kôr. (in-tsivy ao anatin'ny andininy sivy). Tiany tokoa i Jesôsy ka tsy hainy ny tsy hisaintsaina sy tsy hiresaka momba Azy. Naniry hizara an'i Jesôsy tamin'ireo olona teo ambany fiahiany izy mba ho ivon'ny fiainan'izy ireo koa i Kristy. Raha nantsoina ho apostoly i Paoly, izy ireo kosa dia nantsoina ho mpanara-dia an'i Jesosy mahatoky amin'izay asa rehetra iantsoan'ny Tompo azy.

Nantsoina ho apostoly i Paoly. Ary ianao? Ahoana no ahafantaranao ny fiantsoana anao? Raha mihevitra lanao fa tsy mba antsolna, Inona no mety ho lesoka eo amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal