"Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona." - Lio. 2:52.
Mofon’aina:
Niaina tao anatin'ny tokantranon' ny tantsaha mahantra i Kristy fony teto an-tany. Izay akanjo tsara indrindra azon'ny ray aman-dreniny nomena Azy no nanaovany, dia akanjo tsotra fitondran'ny tantsaha izany. Ireo lalana mikitoantoan'i Nazareta no nandehanany, ary nianika ireo havoana sy tendrombohitra Izy. Mpiasa mazoto miasa mafy Izy tao an-tokantranony, ary voarakitra an-tsoratra ny tantaram-piainany feno asa soa. Raha teo anivon'ny olona ambony sy ny mpanankarena no nandanian'i Kristy ny fiainany, dia tsy ho nahazo ny fankaherezana nokasain'ny Tompo homena azy ny tontolo misy ireo mpiasa mafy. (...)
Saingy fantatr'i Kristy fa tsy maintsy manomboka ny asany amin'ny fanomezana hasina ny asa tsotra fanaon'ireo mpanao asatanana, izay miasa mafy hahazoana ny haniny isan'andro, Izy. Nianarany ny asan'ny mpandrafitra mba ho voasokajy ho asa mendri-kaja ny asa rehetra atao amim-pahamarinana, izay mampisondrotra ireo rehetra miasa ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra irery ihany. Ny anjely no naman'i Kristy, satria nanao ny asan'ny Rainy tokoa Izy teo am-pilofosany teo an-dabilion'ny mpandrafitra, toy ny rehefa nanao fahagagana ho an'ny vahoaka Izy. Avy tamin'ny Tsitoha, dia ny Mpanjakan'ny lanitra, ny iraka notanterahiny sy ny fahefana nananany. (...)
Nietry ho amin'ny fahantrana i Kristy mba hampianarana antsika fa azontsika atao ny miara-mandeha akaiky amin'Andriamanitra, eo amin'ny fiainantsika andavanandro. (...) Niasa Izy, nandray anjara tamin'ny fanohanana sy fikarakarana ny fianakaviany. Zary nahazatra Azy ny harerahana, nefa tsy nampiseho fahasosorana Izy na kely aza. Ny fanahiny tsy mba feno fanahiana momba ny zavatry ny tany, ka hoe tsy nanana fotoana nieritreretana momba ny zava-panahy any an-danitra Izy. Matetika Izy no nifandray tamin'ny lanitra tamin'ny alalan'ny hira. Ren'ny mponin'i Nazareta matetika Izy nanandra-peo nivavaka sy nisaotra an'Andriamanitra. (...) Toa nandroaka ireo anjely ratsy ny fiderana nataony, ary nameno fofo-manitra ny toerana nisy Azy. (...)
Nifanaraka sy nifandrindra tamin'ny fiainana sy ny toetran'Andriamanitra ny fiainany. (...) Modely tonga lafatra Izy, na taiza na taiza. — RH, 24 Olctobra 1899.