Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vavaka feno fanetren-tena sy faharetana

Daty
Sabotsy 13 April 2024

"Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. Ary, nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany." - Jak. 5:17,18.

Mofon’aina :
Lesona lehibe no aseho amintsika amin'ny alalan'ny fanandraman'i Elia. Nozahan-toetra ny finoany rehefa nivavaka teo an-tendrombohitra Karmela izy mba hilatsahan'ny orana. Nitalaho tamim-paharetana tamin'Andriamanitra anefa izy.
Nitazana ny ranomasina mandrakariva ny mpanompon'i Elia rehefa nivavaka izy. Inenina izy no niverina tany amin'i Elia sady nilaza fa tsy misy na inona na inona mitranga, tsy misy rahona akory na famantarana fa ho avy ny orana. Tsy kivy anefa ilay mpaminany. Namerina nandinika ny fiainany indray izy mba hahitany hoe taiza ho aiza no mety tsy nanomezany voninahitra an'Andriamanitra. (...) Rehefa nandinika ny fony izy, dia hitany toa latsaka ambany teo imasony sy teo imason'Andriamanitra ny tombam-bidin'ny tenany. Nahatsapa tena ho tsinontsinona izy (...). Tonga ny valim-bavaka rehefa nanda tena izy ka nifikitra tamin'ny hery sy ny fahamarinan'ny Mpamonjy irery ihany. Niverina ilay mpanompo nilaza hoe: "Misy rahona kely hoatra ny tanan'olona miakatra avy eny amin'ny ranomasina." - 1 Mpanj. 18:44.
Tsy mba manampin-tsofina amin'ny hataka ataontsika Andriamanitra; ary raha zahantsika toetra ny tenany, dia hanome voninahitra ny finoantsika Izy. Tiany ho iray amin'ny sitrapony ny sitrapontsika, amin' izay dia afaka hitahy antsika tanteraka Izy. Ary tsy haka ny voninahitra ho an'ny tenantsika isika rehefa mandray fitahiana, fa homentsika an'Andriamanitra avokoa ny dera sy ny laza. Tsy voatery hamaly avy hatrany ny vavaka ataontsika Andriamanitra raha vantany vao mivavaka isika. Raha manao izany mantsy Izy dia mety hoheverintsika fa efa antsika rahateo sy zontsika ny hahazo ny fitahiana sy ny fanampiana rehetra avy Aminy. Tsy handini-tena isika andrao misy zava-dratsy kolokolointsika ao am-po, andrao nanota isika, fa hanjary feno tsy firaihana isika ka tsy hahatsapa fa miankina amin'Andriamanitra. (...)
Nanetry tena i Elia mandra-pahatsapany fa tsy azy ny voninahitra. Izany no fepetra hihainoan'ny Tompo ny vavaka (...). Andriamanitra irery no mendrika homem-boninahitra. — OHC, t. 133. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (46)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal