Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vavaka feno fanetren-tena sy faharetana

Daty
Sabotsy 13 April 2024

"Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. Ary, nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany." - Jak. 5:17,18.

Mofon’aina :
Lesona lehibe no aseho amintsika amin'ny alalan'ny fanandraman'i Elia. Nozahan-toetra ny finoany rehefa nivavaka teo an-tendrombohitra Karmela izy mba hilatsahan'ny orana. Nitalaho tamim-paharetana tamin'Andriamanitra anefa izy.
Nitazana ny ranomasina mandrakariva ny mpanompon'i Elia rehefa nivavaka izy. Inenina izy no niverina tany amin'i Elia sady nilaza fa tsy misy na inona na inona mitranga, tsy misy rahona akory na famantarana fa ho avy ny orana. Tsy kivy anefa ilay mpaminany. Namerina nandinika ny fiainany indray izy mba hahitany hoe taiza ho aiza no mety tsy nanomezany voninahitra an'Andriamanitra. (...) Rehefa nandinika ny fony izy, dia hitany toa latsaka ambany teo imasony sy teo imason'Andriamanitra ny tombam-bidin'ny tenany. Nahatsapa tena ho tsinontsinona izy (...). Tonga ny valim-bavaka rehefa nanda tena izy ka nifikitra tamin'ny hery sy ny fahamarinan'ny Mpamonjy irery ihany. Niverina ilay mpanompo nilaza hoe: "Misy rahona kely hoatra ny tanan'olona miakatra avy eny amin'ny ranomasina." - 1 Mpanj. 18:44.
Tsy mba manampin-tsofina amin'ny hataka ataontsika Andriamanitra; ary raha zahantsika toetra ny tenany, dia hanome voninahitra ny finoantsika Izy. Tiany ho iray amin'ny sitrapony ny sitrapontsika, amin' izay dia afaka hitahy antsika tanteraka Izy. Ary tsy haka ny voninahitra ho an'ny tenantsika isika rehefa mandray fitahiana, fa homentsika an'Andriamanitra avokoa ny dera sy ny laza. Tsy voatery hamaly avy hatrany ny vavaka ataontsika Andriamanitra raha vantany vao mivavaka isika. Raha manao izany mantsy Izy dia mety hoheverintsika fa efa antsika rahateo sy zontsika ny hahazo ny fitahiana sy ny fanampiana rehetra avy Aminy. Tsy handini-tena isika andrao misy zava-dratsy kolokolointsika ao am-po, andrao nanota isika, fa hanjary feno tsy firaihana isika ka tsy hahatsapa fa miankina amin'Andriamanitra. (...)
Nanetry tena i Elia mandra-pahatsapany fa tsy azy ny voninahitra. Izany no fepetra hihainoan'ny Tompo ny vavaka (...). Andriamanitra irery no mendrika homem-boninahitra. — OHC, t. 133. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal