"Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery hianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo." - 1 Jao. 2:14.
Mofon’aina:
Tian'Andriamanitra ny ankizy sy ny tanora, miaraka amin'ny talentany vao misandratra, ny tanjany, ary ny herim-pony, mbamin'ny toetrany malaky taitra, ary faniriany ny hiarahan'izy ireo miasa amim-pirindrana amin'ny anjelin'ny lanitra. (…)
Azo lazaina ho mijoro eo anoloan'ny sampanan-dalana ny zanatsika. Mitaona azy amin'ny fomba rehetra izao tontolo izao ho amin'ny fitadiavana ny tombontsoan'ny tena sy ny fanaranam-po, mba hampiala azy amin'ilay làlana voasoritra ho an'ireo navotan'ny Tompo. Miankina amin'ny safidy ataony ny haha-fitahiana na ozona ny fiainany.(…) Fananan' i Kristy izy ireo, novidiny tamin'ny rany, ary fanehoany ny fitiavany. Ny heriny no mihazona azy ireo ho velona. Azy avokoa ny fotoanany, ny heriny, ny fahaiza-manaony, mba hovolavolainy, hofaniny, ary hampiasaina ho Azy. (...)
Ry zatovo lahy sy vavy, manangana fahalalana. (...) Miezaha hanatratra ny ambony kokoa hatrany. Ny fahaizana mampiasa ny herin-tsaina sy ny herim-batana feno, nefa sady tsy manadino ireo zava-misy mandrakizay, izany no manan-danja ankehitriny. Katsaho amin-kafanam-po indrindra ny Tompo, mba hitomboanareo amin'ny fahadiovana sy amin'ny lafiny ara-panahy. Toy izany no hahazoanareo ny mari-pankasitrahana tsara indrindra mety hananan'ny olona iray — dia ny fankasitrahan'Andriamanitra.
Na be na kely ny talentanao, tsarovy fa izay anananao dia nankinina taminao fotsiny. Amin' izany no izahan'Andriamanitra toetra anao; omeny fahafahana ianao hanaporofo ny fahatokianao. (...) Ny fotoananao, ny herinao, ny fahaizana amam-pahalalanao — ireo rehetra ireo no tsy maintsy hanadinana anao eo anatrehan'Ilay nanome ny zava-drehetra. (...)
Vetivety foana dia ho voatory amin'izao tontolo izao ny hafatra momba Ilay Mpamonjy voahombo sy nitsangana tamin'ny maty ary ho avy tsy ho ela, raha miaraka amin'ny tafika toy izany, dia ireo tanorantsika miasa sy voaofana tsara! Hifarana tsy ho ela ny fahoriana sy ny alahelo ary ny fahotana! Handray ny lovany ny zanatsika, ho solon'ny fananana teto an-tany izay tratry ny aretim-pahotana mampanaintaina. "Ny marina handova ny tany ka honina ao aminy mandrakizay" - Sal. 37:29 – RH, 16 Mey 1912.