Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny trosantsika

Daty
Alatsinainy 03 August 2026

"Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?"- Lio. 16:5

Mofon’aina:
Moa tsy fantatrareo fa (...) tsy tompon'ny tenanareo hianareo? Fa olom-boavidy hianareo."- 1 Kor. 6:19, 20. Endrey ny haben'ny vidiny naloa ho antsika! Banjino ny hazo fijaliana sy ilay Sorona nasandratra teo amboniny. Jereo ireo tanany nitsatohan'ny fantsika lozabe. Jereo ny tongony, nofantsihina tamin'ny rezatra teo amin'ny hazo. Nihatra tamin'ny Tenan'i Kristy ny fahotantsika. Izany fijaliana sy hirifiry izany no vidin'ny fanavotana anao. (...)

 Ny fitiavan'Andriamanitra mahatalanjona, izay aseho ao amin'i Kristy, no siansan'ny lanitra manontolo sy hirany. Tsy tokony hiteraka fankasitrahana sy fiderana ao am-pontsika ve izany? (...) Aoka tsy ho amin'ny teny ihany no hiderantsika Azy fa amin'ny fanokanantsika ho Azy ny momba antsika manontolo sy izay rehetra ananantsika koa.

Ohatrinona no trosan'ny Tompoko aminao? Tsy voaisanao izany. Moa ve misy ampahany amin'ny tenanao izay tsy navotany? Na fananana eo am-pelatananao izay tsy Azy? Raha mitaky izany Izy, moa ve hazoninao amim-pitiavan-tena ho toy ny fanananao izany? Harovanao Aminy ye izany ka hampiasainao ho amin-javatra hafa ankoatra ny famonjem-panahy? Amin'izany no mahatonga fanahy an'arivony maro ho very.

Moa ve misy fomba tsara kokoa hanehoantsika ny fankasitrahana ny sorona nataon'Andriamanitra sy ny fanomezana lehibe natolony an'izao tontolo izao mihoatra noho ny fitondrantsika fanomezana sy fanatitra, arahin'ny fiderana sy ny fankasitrahana, noho ny amin'ny fitiavana lehibe izay nitiavany antsika? (...)

Andeha isika hiandrandra ny lanitra amim-panetren-tena, ka hanolotra ny tenantsika ho an'Andriamanitra tahaka ny mpanompo. (...) Rehefa mijoro manoloana ny hazo fijalian'i Kalvary sy ny Zanak'Ilay Andriamanitra mandrakizay izay nohomboana ho anao ianao, aoka ho izao no fangatahana miloatra avy ao am-ponao: "Tompo o! Inona no tianao hataoko?" Efa nilaza taminao Izy hoe: "Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin.'ny olombelona rehetra."- Mar. 16:15. Rehefa ho hitanao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra ireo fanahy maro izay novonjena tamin'ny alalan'ny fanomezana sy ny fanompoana nataonao, dia ho faly ianao satria nanana tombontsoa nanao izany asa izany. (...) Ny hery izay nomena ireo apostoly fahizay ihany no homena koa ireo izay vonona hanao ny asan'Andriamanitra."- Ms, 139, 1898. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal