"Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin 'ny mpanjakan 'izao fahamaizinana izao, dia amin 'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. " - Efes. 6:12.
Mofon’aina:
Tsy takatsika araka ny tokony ho izy ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan' ireo hery tsy hita maso, dia ny ady eo amin'ireo anjely mahatoky sy ireo tsy mahatoky. (...) Tsy ady foronin'ny saina na sarinady andraisantsika anjara izany. Ny fahavalo mahery indrindra no tsy maintsy ifanandrinantsika, ary miankina amintsika ny famaritana ny hoe iza no handresy. — TFC, b. 7, t. 213.
Raha fantatry ny olombelona ny isan'ireo anjely ratsy, raha fantany ny hafetseny sy ny asany, dia ho kely lavitra ny avonavona sy ny tsy firaihana. I Satana no mpanjakan'ny demonia. Manatanteraka ny baikony ireo anjely ratsy eo ambany fifehezany. Ireo no mampitombo isa ny tafiny (...). Izy no niavian'ny faharatsiana rehetra misy eto amin'izao tontolo izao. — SDABC, b. 6, t. 1119.
Rehefa hitan'i Satana fa mety ho votsotra eo an-tanany ny fanahy iray, dia manao ny ezaka rehetra izy hihazonana azy. Ary rehefa mahatsapa ho tandindomin-doza ilay olona, ka mitodika any amin'i Jesosy noho ny tahotra, ka mangataka hery Aminy amin-kafanam-po, dia matahotra i Satana andrao very babo iray, ka miantso fanampiana amin'ireo anjeliny izy mba hanangana manda fahamaizinana manodidina izany fanahy mahantra izany, mba tsy hipaka aminy ny fahazavan'ny lanitra.
Fa raha maharitra kosa ilay olona ka mitoky amin'ny fahamendrehan'ny ran'i Kristy, na ao anatin'ny tsy fananan-kery aza, dia mihaino ny vavaka mafana atao amim-pinoana ny Mpamonjy antsika, ary haniraka anjely mahery mba hanafaka azy. Tsy zakan'i Satana rehefa miantso vonjy amin'Ilay Mpifanandrina aminy mahery isika, satria matahotra sy mangovitra eo anatrehan'ny heriny sy ny fiandrianany izy sy ny tafiny manontolo. (...) Mitakemotra i Satana sy ny anjeliny. (...) Mametra ny herin'i Satana Ilay Komandin'ny lanitra. TFC, b. 1, U. 345,346.
Misy anjelin'Andriamanitra mitoby manodidina ny fanahy tsirairay alaim-panahy, izay vonona hanandratra ny fanevan'ny fahamarinana raha toa ka manohitra ny ratsy fotsiny ilay alaim-panahy. — RH, 8 Aogositra 1907.