"Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany; fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa."- 1 Pet. 4:12, 13
Mofon’aina:
Misy antony avokoa ny fitsapana 1\4 avelan'Andriamanitra hihatra amin'ny zanany. Tsy mitarika azy ireo amin'ny fomba hafa Izy, afa-tsy araka izay hofidin'izy ireo hitarihana azy raha toa izy mahita ny voalohany hatramin'ny farany ary koa mahita ny voninahitry ny fikasana tanterahiny amin'ny maha-mpiara-miasa amin'Andriamanitra azy. Ny fanitsiany azy ireo dia ataony mba hampietry azy sy hitarihana azy, eo am-pamakivakiana ny fizahan-toetra sy ny fahoriana, hahita ny fahalemeny ka hanakaiky Azy. (...)
Vato sarobidin'i Kristy ny Kristianina. (...) Ny famirapiratany dia miankina amin'ny fanefena azy. Azony atao ny misafidy ny hohalamaina na tsia. Kanefa izay rehetra ambara fa mendrika ny hahazo ny toerany ao amin'ny tempolin' i Jehovah dia tsy maintsy mandalo amin'ny fandamalamana. Raha tsy eo ny fanaovan'ny Tompo izany, dia tsy afaka hamirapiratra mihoatra noho ireo vato hafa rehetra izy. Hoy i Kristy amin'ny
olona: "Ahy ianao, Izaho no efa nividy anao. (...) Tsy misy maharombaka anao avy eto an-Tanako. Hataoko ho rakitra soa ho Ahy ianao. Ary amin'ny andro hanosorana Ahy ho Mpanjaka, dia ho vatosoa eo amin'ny Satroboninahitro ianao ka ho fifaliako."
Tsy mandany andro amin'ny vato tsy misy vidiny Ilay Mpiasan'ny lanitra. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa (...). Mafy sy maharary izany, ary mandratra ny hambom-pon'olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafiny amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny Endriny. Amin'izay vao hambarany ho mendrika haka toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany. (...)- RH, 7 Marsa 1912.