"Koa dia finaritra aho amin 'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin 'ny fahaterena, amin 'ny fanenjehana, amin 'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako."- 2 Kôr. 12:10
Mofon’qina:
Tsy mampanantena ny fahafoanan' ny alahelo ny fivavahana kristianina. "Tsy maintsy ho amin 'ny fahoriana be no idirantsika amin 'ny fanjakan 'Andriamanitra."- Asa. 14:22. Ilaina ny finoana, finoana matanjaka sy matoky, izay mino fa tsy hisy fakam-panahy hahazo ny zanak'Andriamanitra afa-tsy izay zakany. Ny herin'io finoana io no hazavain'i Paoly ao amin'ny episitliny ho an'ny Hebreo. Tahaka izao no lazainy momba ireo izay matoky an'Andriamanitra ka tsy voahozongozona eo anatrehan'ny fanenjehana sy ny fahafatesana:
"Izay nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona, namono ny fidedadedan 'ny afo, afaka tamin 'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa. Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijaliana ho faty, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra; ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina koa; notorahim-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr 'ondry sy hoditr 'osy; efa lao, ory, fadiranovana."- Heb. 11:33-37.
Eto amin'izao tontolo izao dia heverina ho tsy mendrika ny hiaina ireo mahery fon'ny finoana; fa any an-danitra kosa dia voasoratra ho zanak'Andriamanitra izy ireo, mendrika ny voninahitra ambony indrindra (Apôk. 3:4). Miandry azy ireo any amin'ny lapan'ny lanitra ny "voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay." "Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin 'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin 'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an 'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy."- Heb. 12:1, 2. "Fa ny fahorianay maivana, izay vetivèty foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay."- 2 Kôr. 4:17, 18.- RH, 7 Marsa 1912.