Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery ho an'ny anio

Daty
Sabotsy 19 September 2026

 "Ary hoentiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro."- Zak. 13:9

Mofon’aina:
Mizaha toetra ny herin'ireo zanany Andriamanitra amin' ny alalan'ny fitsapana. Matanjaka tsara ve ny fo? Tsy meloka ve ny fieritreretana? Miara-manambara amin'ny fanahintsika ve ny Fanahy fa zanak'Andriamanitra isika? Tian'Andriamanitra ho azo antoka amin'ny alalan'ny fizahan-toetra avokoa ny amin'izany. Dioviny ho afaka amin'ny tain-drendrika rehetra isika ao amin'ny memin'ny fahoriana. Tsy fitiavana hampahory antsika tsy akory no antony amelany antsika hiharan'ny fitsapana fa mba hisarihana ny fijerintsika ho Aminy, sy hanamafisana orina ny fifaharantsika, ary hampianarana antsika fa raha tsy mikomy isika fa matoky Azy dia hahita ny famonjeny. (...)

Mahery sady mamy ny fitiavan'i Kristy ny zanany. Fitiavana mahery noho ny fahafatesana izany satria nafoiny ho antsika ny ainy. Fitiavana mahatoky mihoatra noho ny fitiavan'ny reny ny zanany izany. Mety miova ny fitiavan'ny vehivavy ny zanany, fa ny Fitiavan' i Kristy kosa tsy miova. (...)

Omena fampiononana lehibe isika amin'ny fitsapana tsirairay. Tsy tohina ve ny fon'ny Mpamonjy manoloana ny fahalementsika? Tsy efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika ve Izy? Tsy efa nanasa antsika ve Izy hametraka Aminy ny olana sy ny fanahiantsika rehetra? Koa aoka isika tsy ho kivy ny amin'ny enta-mavesatry ny ampitso. Andeha hozakaintsika amin-kerim-po sy fifaliana ny enta-mavesatry ny anio. Anio isika no mila matoky sy mino, tsy nomena antsika ny hiaina ankoatra ny ankehitriny. Ilay manome hery hiatrehana ny anio no hanome hery hiatrehana ny ampitso. (…)

Tsy misy mandratra ny fanahy toy ny antsy maranitry ny fisalasalana sy ny tsy finoana. Rehefa tonga ny fitsapana, satria tsy maintsy ho avy izany, dia aza manahy na mimonomonona. Ny fanginan'ny fanahy no andrenesana mazava kokoa ny feon'Andriamanitra (Sal. 37:7). (...) Mitondra anao ho amin'ny fanandramana mahafinaritra Izy.- RH, 20 Jona 1907. 
mofon'ana

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal