"Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; fa ny alahelon 'ny fo mahareraka ny fanahy."- Ohab. 15:13
Mofon’aina:
Mandalo fa tsy maharitra ny alahelo, efa izany no anjaran'ny olombelona. Tsy tokony hanao izay hampitomboana izany isika, fa aoka kosa hifantoka amin'ny mazava sy mahafinaritra. (...)
Amin' izao fotoana izao, dia misy rahona manakona ny tara-masoandro mamirapiratra tsy ho hitantsika, ka mitoetra ao amin'ny maloka isika. Moa ye tokony ho sorena sy himonomonona ny amin'izany isika, ka hanadino izay rehetra tsara sy maha-te ho tia manodidina antsika? Tsia, tokony tsy hijery ny rahona isika. Aoka hotsaroantsika fa tsy nanjavona ny masoandro fa takona mandritra ny fotoana fohy ihany, mbola hipoitra indray izy ka hamirapiratra sy ho sarobidy amintsika kokoa noho ny teo aloha.
Tsy sitrak'Andriamanitra ny handaniantsika ny fiainantsika ao anatin'ny fahakiviana sy ny alahelo, ka iheverantsika ny fahoriana rehetra mahazo antsika ho lehibe. Raha manao izany isika, dia tsy mampahory ny tenantsika fotsiny fa mitondra aloka eo amin'ny fifalian'ireo manodidina antsika koa. Aoka isika (...) tsy hifikitra amin'ireo aloka maizin'ny fiainantsika fa hanokatra ny masontsika sy hamoha ny retsi-pandrentsika mba hahita sy hankasitraka ireo fitahiana maro manodidina antsika. Tokony hahavelom-pankasitrahana antsika ireny fitahiana ireny ary hahasambatra antsika.
Sitrak'Andriamanitra ny hanana-ntsika toetra Talifaly. Asainy isika hanokatra ny fontsika handray ireo taza-masoandron'ny lanitra. Iriny ny fontsika raha ho malefaka noho ny Fitiavany sy ny Fahatsarany izay miseho eo amin'ny fiainantsika sy eo amin'ireo zavaboary manodidina antsika. Misy fiantraikany ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy eo amin'izay mifanerasera amintsika ny teny sy ny asa ataontsika. Na dia tsy tsapantsika aza, dia na isika mampiely ny hanitry ny toetrantsika eo amin'ny rivo-piainana manodidina antsika, na manapoizina ny rivo-piainana amin'ireo eritreritra sy teny ary asa mitondra hery miasa mangina manimba.- The Sanitarium Patients at Goguac Lake, tt. 23, 24.