"Ao aminy no irafetan'ny mfitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo. Ary ao aminy no miaraka aorina koa hianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy." Efes. 2:21,22.
Mofon’aina:
Ny fiangonan'Andriamanitra velona, ho an'ny mambra tsirairay, dia fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy, mba hahatonga ny olona ho tempoly mirafitra tsara, vonona handray ny Fanahy Masin'Andriamanitra, ary mba hitoetra ao amin'ny ati-fanahiny lalina ny Tompo Jesosy Kristy, ka hanamendrika sy hanamasina ny maha olona amin'ny alalan'ireo toetra maha Andriarnanitra Azy. — Ms, 193, 1898.
Ny fiangonan'i Kristy, dia natao ho eto amin'izao tontolo izao, saingy tsy avy amin'izao tontolo izao. Ny niantsoany ny vahoakany hitambatra ho fiangonana, dia ny hahatonga azy ireo ho ankohonana kristianina iray, izay mio'mana isan'andro ho tonga isan'ilay ankohonana any am bony.
Araka izany, atambatr’.Andriamanitra ho vatana iray ny mpino, amin'ny alalan'ny Teniny, mba ho fitahiana ho an'ny tsirairay sy ho an'izao tontolo izao ny hery miasa mangina avy aminy. Ny mambra tsirairay niova fo dia ahitana fiovan-toetra, ary tohanan'ny herim-po sy ny finoan'ny rehetra. Ho tonga rantsana matanjaka ao amin'ny tenan'i Kristy ny olo-masina malemy indrindra raha mino an'i Kristy, ary raha manetry tena sy miantehitra amin'Andriamanitra; manan-jo amin' ireo tombontsoa rehetra amin'ny maha zanak'Andriamanitra azy mantsy izy. — Ms, 157, 1899.
Ny fiangonana no iantefan'ny fiahiana sy ny fitiavan'Andriamanitra mamy indrindra. Haneho ny toetrany amin'ny alalan'ny mambra Izy, raha avelan'izy ireo. Hoy Izy: "Hianareo no fahazavan7zao tontolo izao. " Hita eo amin'ny fiainan'izay miara-mandeha sy miresaka amin'Andriamanitra ny fahalemem-panahin'i Kristy, ny fandeferana, ny fifehezan-tena, sy ny fahavononana masina (...). Voaisotra ireo toetra melomeloka ao aminy eo am-pandrosoany mankany an-danitra (...). Miasa ao amin'ny saina sy ny fony ny Fanahy Masina, izay feno fahasoavana sy hery. — Ms, 63, 1901.
Tanjon'i Kristy ny hisian'ny rivo-piainana ara-panahy, feno fahazavana sy fiadanana manodidina ny Kristianina tsirairay. Azon' Andriamanitra ampiasaina amin'ny fomba tsy misy tetra ny olona izay mahafoy ny "izaho" ka manome toerana ho an'ny Fanahy Masi na hiasa ao am-pony, sy manokana ny fiainany ho an'Andriamanitra. — RH, 30 Avrily 1908.