"Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon'ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin'ffy firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony." - Zak. 2:12.
Mofon’aina::
NY fiangonan'i Kristy, na dia marefo sy tsy tanteraka aza, no hany zavatra eto an-tany ifantohan'ny fitiavany faratampony. (...) Mariana vahoaka ny Tompo, vahoaka voafidy, dia ny fiangonany izany, izay Azy manokana, tanattany mimanda, izay arovany eto amin'ity tontolo feno fahotana sy fikomiana ity. — TMGW, tt. 15,16. Fananan'Andriamanitra ny fiangonana, izay eo anivon' izao tontolo izao sy iharan'ny fakarn-panahin'i Satana, ary tsaroany mandrakariva. Tsy nohadinoin'i Kristy velively ireo andro nietreny ka nahatongavany ho nofo. Rehefa niverina ho any amin'ny voninahiny any an-danitra Izy, dia mbola nitahiry ny maha olombelona tanteraka Azy. Mbola hay Jesosy malemy fanahy sy tsy miavona am-po hatrany Izy (...). Tsy mba hadinony flay vahoaka solon-tenany izay miezaka manandratra ny lalA.ny voahitsakitsaka. Fantany fa izao tontolo izao izay nankahala Azy dia mankahala azy ireo koa. Na efa any an-danitra aza i Jesosy Kristy, dia mbola misy rohy velona mamatotra ireo mpino amin'ny fony feno fitiavana tsy manam-petra. (...)
Hitan'i Jesôsy ny flangonany marina eto an-tany, izay ny hiara-miasa Aminy amin'ny asa lehibe famonjem-panahy no faniriany lalina. Henoiny ny vavak'izy ireo, izay asandrany amin'ny fo torotoro sy amin-kery, ary tsy hain'ny Tsitoha lavina ny fitalahoan' izy ireo ho famonjena ny rantsam-batan'i Kristy rehetra izay iharan'ny fitsapana sy ny fakam-panahy. (...) Velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika i Jesosy. Inona ny fitahiana tsy ho azon'ny mpino marina amin'ny alalan'Ilay Mpanavotra antsika? Ny fiangonana, izay efa hiditra ao anatin'ny ady mafy indrindra tsy ho ela, no ho zavatra malala indrindra amin'Andriamanitra eto ambonin'ny tany.
Hohetsehin'ny hery avy any ambany ny tafiky ny ratsy manontolo, ary ezahin' i Satana amin'ny fomba rehetra ny hanomezan-tsiny sy hanalam-baraka ireo olom-boafidy izay tsy hainy fitahina sy verezina amin'ny alalan'ny saim-petsiny. Saingy moa ve i Kristy, Izay efa nasandratra ho "Tompo sy Mpamonjy (..)" - Asa. 5:31, nisolo antsika sy Mpitarika antsika, hanidy ny fony na hanatsoaka ny tanany na hivadika amin'ny teny fikasany? Tsia; sanatria!. — TMGW, tt. 19,20.