Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka hazava ny fahazavanareo 

Daty
Alakamisy 25 April 2024

"Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa taonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra."— Mat. 5:16.

Mofon’Aina:
Baiko lehibe no raisin'ny fanahy tsirairay teraka ao amin'ny fanjakan'i Kristy: "Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra". Apariaho amin'ny manodidina anao ireo tara-pahazavana mamiratra avy amin'ny Masoandron'ny fahamarinana; ampahafantaro ireo namanao manerana izao tontolo izao ireo zava-tsoan'ny fahazavana sy ny fahamarinana izay nomena anareo mitafotafo avy eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. (...) Mandrosoa avy amin'ny fahazavana ho amin'ny fahazavana lehibe kokoa, amin'ny fandraisana taratra avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana, ary aoka ianao hamiratra bebe kokoa mandra-pahatonga ilay andro tonga lafatra. (...)

Aza afenina ny fahazavanao. Aza hazonina amin'ny alalan'ny fahotana ny fahazavanao. Aza avela hamono ny fahazavanao ny zavona sy ny aretin-dratsin'izao tontolo izao. Aza afenina ao ambany farafara na ao ambany vata famarana izany fa apetraho eo ambony fanaovan-jiro mba hahazava ny ao an-trano rehetra. (...) Mandidy anao Andriamanitra mba hamiratra ka hanagorobaka ny haizina ara-pitondran-tena eto amin'izao tontolo izao.

Betsaka no tsy mahalala izay manjo azy. Mila fahazavana izy ireo kanefa tsy mahita taratra. Mangataka fanampiana izy ireo kanefa tsy misy mamaly. Haharitra ve ny fisalasalana sy ny tsy finoana satria tsy mandray ireo taratra avy amin'i Jesôsy Kristy aho ka tsy afaka mamela izany hamiratra amin'ny hafa? (...)

Ireo ady lalina ataon'ny fanahiko amin'ny fakam-panahy, ireo faniriana lalina avy amin'ny saiko sy ny foko ny hahalala an'Andriamanitra sy i Jesôsy Kristy ho Mpamonjy ny tenako manokana ary ny hanana toky sy fiadanana ary fitsaharana ao amin'ny fitiavany dia mitarika ahy banana faniriana isan'andro hankeo amin'ny toerana ahazoan' ilay Masoandron'ny fahamarinana mamiratra eo amiko. Raha tsy misy izany fanandramana izany dia ho tojo fatiantoka lehibe aho, ary hisy fiantraikany amin'ireo mifanerasera amiko ny tsy fandraisako ny fahazavana izay tokony horaisiko (...) sy tokony hanazavako ny lalan'izy ireo. Ho fahazavana ho an'izao tontolo izao tokoa ve aho sa ho aloky ny haizina?- OCH, t. 297. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal