"Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny hiaro azy amin’ny ratsy." Jao. 17:15.
Mofon’aina :
Ireo izay tsy maintsy mifandray amin’ny olon’izao tontolo izao noho ny asany dia tokony hiambina lalandava, hitandrina fatratra ny tenany ary hivavaka mandrakariva, mba tsy hahazo azy tampoka ny fahavalo. Ho an’ireo mpianany izay voatery hifandray amin’ny olon’izao tontolo izao, dia manome ny fahasoavana ilainy Andriamanitra. (...). Ny fihetsiny tsirairay dia tsy maintsy maneho ny maha Kristianina azy ireo. Tokony ho tsara fanahy sy ho feno fahalalam- pomba izy amin’izay rehetra lazainy sy ataony, ary mampiseho fa eo ambanin’ny fifehezan’Andriamanitra sy manompo an’i Jesôsy Kristy Tompo izy.
Natao hiavaka amin’izao tontolo izao ny mpanara-dia an’i Kristy eo amin’ny foto-keviny sy ny zava- mahaliana azy, nefa tsy tokony hitoka- monina hiala amin’izao tontolo izao izy. « Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao » hoy i Kristy, « no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao » - and. 18. (...) Tsy tokony hiala amin’izao tontolo izao isika mba handosirana ny fanenjehana. Tokony hitoetra eo anivon’ny olona isika, mba ho toy ny sira miaro izao tontolo izao amin’ny fahalovana ny hatsaran’ny fitiavan’Andriamanitra.
Ny fo izay manaiky hiasan’ny Fanahy Masina no fantsona ampitan’Andriamanitra ny fitahiany. Raha esorina tsy ho etÿ ambonin’ny tany ireo izay manompo an’Andriamanitra, ka tsoahina tsy ho eo amin’ny olona ny Fanahiny, dia faharavana sy fandringanana no hanjo ity tany ity. Na tsy fantatry ny ratsy fanahy aza izany, dia ny fisian’ny vahoakan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao, izay ataony tsinontsinona sy ampahoriny, no ahazoan’izy ireo fitahiana eto amin’ity fiainana ity. (...) Mahatonga ny fanamasinana avy amin’ny Fanahy Masina ny fanarahana ny fampianaran’i Kristy (...)
Ireo izay mianatra ny Tenin’Andriamanitra ary mandray fampianarana avy amin’i Kristy isan’andro dia manana ny tombokasen’ny foto-kevitry ny lanitra. Misy hery miasa mangina ambony sy masina avy aminy. Misy rivo-piainana mahasoa manodidina ny fanahiny. Ireo foto-kevitra madio sy masina ary ambony izay arahiny dia mahatonga azy ireo hanao fanambarana velona ny amin’ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra. – RH, 27 Jolay 1905.