Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).

Daty
Talata 10 November 2026

Mety hiseho amin'ny endriny samihafa ny valintenin'ny olona manoloana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana. Tamin'ny andron'i Mosesy, dia latsaka tao anatin'ny fikomiana mivantana tamin'i Mosesy sy i Arona ny zanak'Isiraely, noho ny fahatahoran'izy ireo ny fahavalo mety hifanehatra aminy rehefa hiditra ao amin'ilay tany nampanantenaina. Taona maro tatỳ aoriana indray, dia nodoran'i Joiakima mpanjaka ny taratasy nisy ny hafatr'Andriamanitra, satria nantenainy fa ho foana amin'izany ny tenin'Andriamanitra nambaran'ny mpaminany.

Tsy ireo ihany anefa no tranga tahaka izany. Ny tantaran'ny Isiraely sy Joda fahiny, afa-tsy tamin'ny fotoana vitsy dia vitsy, dia tantaran'ny fandavan'ny vahoaka ireo mpaminany nirahin'Andriamanitra.

Vakio ny 2 Tant. 36:15–16. Ahoana no navalin'ny firenen'i Joda ireo hafatra nalefan'Andriamanitra tamin'izy ireo tamin'ny alalan'ny mpaminany? Ary nony farany, ahoana no nasetrin'Andriamanitra ny fitondrantenan'ny firenen'i Joda sy ny fihetsik'izy ireo?

Nandritra ny fotoana nanjakan'i Josia, Joiakaza, Joiakima, Jekonia, ary i Zedekia no nanaovan'i Jeremia ny asa fanompoan'ny mpaminany. Efa teo am-bavahadin'ny firenen'i Joda izao ny fanjakan'i Babylona, izay notarihin'i Nebokadnezara. Saika efa tanteraka avokoa ny faminanian'i Jeremia rehefa niakatra ho eo amin'ny seza fiandrianana ny tovolahy iray 21 taona, antsoina hoe Zedekia (2 Tant. 36:11). Hoy ny Baiboly: *"Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin'Andriamanitra."* - 2 Tant. 36:12.

Mariho ny fomba iresahana momba ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana nananan'i Jeremia. Aseho ho toy ny miteny amin'ny anaran'i Jehovah izy. Kanefa tsy nanetry tena teo anatrehan'ity mpaminany ity i Zedekia. I Jeremia, izay olombelona ihany, dia mpanota tahaka antsika rehetra, nefa solontenan'Andriamanitra izy ary niteny tamin'ny Anarany.

Anankiray amin'ireo maro nitana izany andraikitra izany i Jeremia. Nandritra ny taonjato maro no nanirahan'Andriamanitra mpaminany hankany amin'ny olony (Eks. 3:15; Sal. 105:26; Mal. 3:1; Isa. 6:8; Jer. 25:4; Mat. 11:13; Lio. 11:49, sns), satria "tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra." - 2 Pet. 3:9. Ny tantaran'ny Isiraely sy Joda fahiny dia tantaran'ny fiezahan'Andriamanitra tsy miato mba hikasika ny fon'ny vahoaka izay nihodina taminy, tamin'ny alalan'ny teny fikasana maro mitory famonjena, raha toa izy ireo ka mibebaka.

Na dia amin'izao ora farany eo amin'ny tantaran'ny Joda izao aza, dia tsy mba noraisiny tamin'ny fanetren-tena sy ny finoana ary ny fibebahana akory ny fahasoavan'Andriamanitra, izay naseho tamin'ny fitarihana sy ny fampiononana tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany. Fihomehezana sy fanarabiana ary fanamavoana no nasetrin'izy ireo izany.

Nanaraby ireo irak'Andriamanitra izy ireo, nanamavo ny Tenin'Andriamanitra, ary nihomehy ireo mpaminaniny. Azo antoka fa tsy hanao sahala amin'izany isika amin'izao andro izao, sa mety hanao toy izany koa isika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal