Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy ho ela intsony dia tafody!

Daty
Talata 30 April 2024

 "Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa." — Jao. 14:3

Mofon'Aina:
Valonjato sy arivo taona mahery no lasa hatramin'ny nampanantenan'ny Mpamonjy ny hiverenany indray. Nandritra ny taonjato maro dia nameno herim-po ireo nahatoky taminy ny teniny. Tsy mbola tanteraka ilay fampanantenana saingy tsy latsa-danja amin'izany ny teny izay voalaza.

Ho avy amin'ny voninahitry ny Tenany, amin'ny voninahitry ny Ray ary amin'ny voninahitry ny anjely masina i Kristy. Ireo anjely alinalina, ireo zanak'Andriamanitra manana hatsarana sy mpandresy, amin'ny hatsarana sy voninahitra tsy mbola nisy toy izany no hanotrona Azy eo amin'ny lalany. Hisatroka satroboninahitra maro sosona Izy fa tsy satro-tsilo. Ho solon'ny akanjo volomparasy tonta dia hampiakanjoana akanjo fotsy indrindra Izy, "ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany"- Mar. 9:3. Eo amin'ny akanjony sy ny feny no hanoratana ny anarana hoe "MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO" (Apok. 19:16).

Ho an'ireo mpanaraka azy mahatoky dia namana isan'andro, eny, sakaiza akaiky i Kristy. Niaina tao anatin'ny firaisana ety sy tsy tapaka tamin'Andriamanitra izy ireo. Misandratra amin'izy ireo ny voninahitry ny Tompo. Amin'izy ireo no mitaratra ny fahazavan'ny fahalalan'ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny endrik'i Jesôsy Kristy. Ankehitriny, mifaly amin'ireo taratra fenon'ny famirapiratana sy ny voninahitry ny Mpanjaka ao amin'ny fanjakany izy ireo. Vonona ho amin'ny firaisana amin'ny lanitra izy satria ao am-pony ny lanitra.

Miandrandra izy ireo, mamirapiratra eo aminy ny taratr'Ilay Masoandron'ny fahamarinana, mifaly amin'ny fiavian'ny fanavotana azy izy ireo, ary manatona Ilay Mpampakatra izy ka milaza hoe: "Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika."- Isa. 25:9.

Efa ho tapitra ny fotoam-piandrasana. Kely sisa dia harabaina tonga soa avokoa ireo mpandeha lavitra sy mpivahiny izay nitady firenena tsara kokoa. Te hihiaka amin'ny feo avo aho hoe: "Hody isika!" (...) "Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana."-2 Pet. 3:14.- OHC, t. 367. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal