Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Malemy fanahy sy be fitiavana ary miantra.

Daty
Zoma 03 May 2024

"Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana."- Sal. 86:15.

Mofon'Aina :
Nanome baiko antsika Andriamanitra, araka ny lalan'ny asa fanompoana, ny mba hifampaherezantsika amin'ny halemem-panahy sy fitiavana rehefa mianjady ny fahoriana lehibe. Tsy misy olombelona velona ho an'ny tenany, ary tsy misy maty ho an'ny tenany. (...) Adidy napetrak'Andriamanitra hiantsorohan'ireo mpanompony ny haneho ny toetran'Andriamanitra, ny hijoro ho vavolombelon'ny Fahasoavany sy ny Fahendreny ary ny Fahafoizan-tenany amin'ny fanehoana fitiavana madio sy feno halemem-panahy ary miantra. (...) Nikasika ny fon'i Jesôsy mandrakariva ny fahorian'ny taranak'olombelona; ny fontsika koa dia tokony holefahin'ny Fanahy Masina sy hilefitra Aminy mba hahatonga antsika hanahaka an' i Jesôsy . (...)

Ny anjara asantsika dia ny hamerina indray ny toe-panahin'Andriamanitra eo amin'ny olona amin'ny alalan'ny fahasoavana lehibe atolotr'Andriamanitra antsika amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy. Hitantsika eny rehetra eny ny fanahy ambavahaona, koa zava-dehibe indrindra ny hanehoan'i Kristy amintsika ny fangorahany, mba tsy hisy fanahy ho very noho ny tsy fanehoantsika fahari-po sy fahalemem-panahy feno fangorahana. (...) Izao no fanontaniako: moa ve isika hianatra hanana ny fahalemem-panahin'i Kristy indray andro any? Endrey, manao ahoana ny filantsika hahafantatra an'i Jesôsy sy Ilay Raintsika any an-danitra mba hahafahantsika maneho Azy amin'ny toetrantsika! (...)

Miantso antsika hanatona Azy i Jesôsy , tsy ny hamelombelomana antsika amin'ny fahasoavany sy ny fanatrehany mandritra ny ora vitsivitsy fotsiny ka hampandehaniny hiala amin'ny Fahazavany isika avy eo ho ao anatin'ny alahelo sy ny fanjoretana. Tsia, tsy izany, fa ambarany amintsika ny tsy maintsy hitoerantsika ao Aminy ary Izy ao amintsika. Na aiza na aiza anaovana ny asany dia eo Izy (...). Efa nanomana ho ahy sy ho anao fitoerana ao Aminy Izy. Izy no fialofana ho antsika. Tokony hihamitombo sy hihalalina ny fanandramantsika. Efa nasehon'i Jesôsy amin'ny fahafenoany ny fitiavany tsy hay lazaina ka hoy Izy aminao: "mpiara-miasa amin'Andriamanitra" ianareo (1 VV. 3:9). Endrey ny lanjan'izao teny izao! - "Tomoera amiko" Jao. 15:4, "Ento ny ziogako" - Mat. 11:29. Handray izany ve isika? Izao mantsy ny teny fikasana: "dia hahita fitsaharana ho an 'ny fanahinareo hianareo." (...)- TMK, t. 45. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal