Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Fanahy Masina, ilay Mpanampy antsika

Daty
Sabotsy 04 May 2024

"Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra."- Rôm. 8:14.

Mofon'Aina:
Amin'ny alalan'ny asa fanompoan'ireo anjely no iasan'ny Fanahy Masina amin'ny saina sy ny fon'ny olombelona ka hitaomany azy ho eo amin'i Kristy. (...) Tsy misalovana amin'ny fahalalahana ananan'ny olombelona anefa ny Fanahin'Andriamanitra. Omena mba ho Mpanampy ny Fanahy Masina, mba hahafahan'ny zanak'olombelona miara-miasa amin'Andriamanitra, ary omena mba hitaomany fanahy Izy fa tsy hanery ny olona hankatò tsy akory.

 Vonona ny hizara amintsika ireo hery miasa manginan'ny lanitra rehetra i Kristy. Fantany ny fakam-panahy rehetra mianjady amin'ny olombelona sy ny fahafahan'ny tsirairay miatrika izany. Voalanjany ny herin'ny olona. Hitany ny ankehitriny sy ny hoavy, ataony ao an-tsain'ny olona ireo andraikitra tokony horaisina, ary mananatra antsika Izy mba tsy hanaiky ho revon'ny zavatry ny tany sy ny fanaon'ny olona ka manjary tsy hisaintsaina intsony ny zavatra maharitra mandrakizay. Manana fahasoavana feno tiany harotsaka amin'ny tsirairay izay handray ny fanomezan'ny lanitra ny Tompo. Ny Fanahy Masina no hanome ireo fahaiza-manao natolotr'Andriamanitra ho amin'ny fanompoana an'i Kristy, ary Izy no hamolavola sy hanamboatra ny mpiasa araka ny Modelin'ny lanitra.

 Ny Fanahy Masina no fahombiazantsika eo amin'ny asa fanorenana ny toetra sy ny famolavolana izany hanahaka ny toetran'Andriamanitra. Manao fahadisoana isika rehefa mihevitra ny tenantsika ho mahay mamolavola ny fanandramantsika manokana. Tsy haintsika ny handresy ny fakam-panahy amin'ny herin'ny tenantsika. Ireo izay tena mino an'i Kristy marina kosa dia hampiasain'ny Fanahy Masina. Ny fo izay itoeran'ny finoana no hanjary tempoly tsara tarehin'i Jehôvah . Hitari-dalana azy ny fahasoavan'i Kristy. Arakaraka ny ianteherany amin'ny fampianaran'ny Fanahy Masina no hitomboany.

 Ny fiasa manginan'ny Fanahy Masina no fiainan'i Kristy ao amin'ny fanahy. Tsy mahita maso an'i Kristy isika na miresaka Aminy mivantana, fa ny Fanahiny Masina kosa dia eo anilantsika any amin'ny toerana rehetra. Miasa ao anaty sy amin'ny alalan'ny tsirairay izay mandray an'i Kristy Izy. Izay mahalala ny fitoeran'ny Fanahy no haneho eo aminy ireo vokatry ny Fanahy - fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fahatsaram-po, finoana. - TMK, t. 57.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal