Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona"

Daty
Alahady 05 May 2024

 "Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika." - Isa. 53:3.

Mofon'Aina:
Manao ahoana re ny havitsian'ny olona mahatakatra ny fahoriana mandrotidrotika ny fon' ilay Zanak'Andriamanitra nandritra ireo telopolo taona niainany teto an-tany. Nosaronan'ny alahelo sy ny fahoriana ny lalana avy eo amin'ilay fihinanam-bilona hatreny Kalvary. Lehilahy ory Izy, ary niaina ratram-po izay tsy hain'ny fitenin'olombelona hosoritsoritana. Izao no azo nilazana izany raha ny marina: "Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako"- Fit. 1:12. (...) Lehibe tokoa ny fankahalany ny fahotana, kanefa nangoniny tao amin'ny Fanahiny ny fahotan'izao tontolo rehetra izao, raha nanitsaka ny lalana mankeny Kalvary Izy (...). Tsy nanan-keloka Izy kanefa nitondra ny famaizana ny olo-meloka; tsy nanan-tsiny kanefa nanolotra ny Tenany mba hizaka ny famaizana mendrika ny mpandika ny lalan'Andriamanitra. Nentin'ny Zanak'ilay Andriamanitra mandrakizay ny famaizana noho ny otan'ny fanahy rehetra. Nitambesatra tao amin'ny fanahin'ilay Mpanavotra an'izao tontolo izao avy any an-danitra ny fanamelohan'ny fahotana rehetra. Ilay tsy nahalala ota no tonga ota ho antsika mba hampihavanina amin'Andriamanitra ao Aminy isika. Tamin'ny nandraisana ny toetry ny olombelona no nipetrahany teo amin'ny toerana izay nandratràna Azy noho ny fahotantsika sy nanorotoroana Azy noho ny fahamelohantsika, mba hahasitrana antsika ny dian-kapoka taminy. 

Fakam-panahy lehibe no nizahan-toetra an'i Kristy tao amin'ny maha-olombelona Azy, hery feno faharetana no nentin'ilay ratsy nizaha toetra azy noho ny maha lehibe lavitra mihoatra ny olona Azy. Fahamarinana feno zava-miafina lalina ny fifamatoran'i Kristy amin'ny taranak'olombelona amin'ny alalan'ny firaisam-po feno fangorahana lehibe indrindra. Namesatra ny fon'Andriamanitra ny asa sy ny fisainana ratsy ary ny teny feno faharatsiana nataon'ny zanakalahy sy sy zanakavavin'i Adama rehetra. Nahatonga famaizana ho an'ny Tenany ny fahotan'olombelona satria tonga Mpisolo ny olona Izy, ary nentiny ny fahotan'izao tontolo izao. (...) "Hataontsika ahoana no fandositra raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika?"- Heb. 2:3. - TMK, t. 66. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal