Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitahiana hiatrehana ny fahamehana rehetra.

Daty
Alarobia 08 May 2024

"Hataontsika ahoana no fandositra raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafisin'izay nandre tamintsika kosa." - Heb. 2:3. 

Mofon'Aina:
Tsy nisy navelan'Ilay Tompon'ny famonjena avy an-danitra hisy tomika ny drafitra; tonga lafatra avokoa ny dingana rehetra ao anatin' izany. Navela holanjain' i Jesôsy ny fahotan'izao rehetra izao, ary nomen'Andriamanitra ny tombambidy ambony indrindra ny fahorian'ny olombelona tao amin'i Jesôsy mba hahazoan' izao tontolo izao famelan-keloka amin'ny alalan'ny finoana ilay Mpisolo. Aoka izay meloka indrindra tsy hatahotra fandrao tsy hamela ny fahotany Andriamanitra, satria ny fahombiazan'ny sorona ataon'Andriamanitra no hanafoa-nana ny famaizan'ny lalàna. (...)

Endrey! Mahatalanjona tokoa ny drafi-panavotana ao amin'ny fahatsorany sy ny fahatanterahany! Tsy mitondra famelana feno ho an'ny mpanota fotsiny izany fa mamerina amin'ny laoniny ny mpandika lalàna ary manao lalana hahafahana mandray azy ho zanak'Andriamanitra. Amin'ny alalan'ny fankatoavana no hahafahany ho tonga manam-pitiavana sy fiadanana ary fifaliana. Ny finoany no afaka mampikambana azy amin'i Kristy na dia ao anatin'ny fahalemeny aza; i Kristy, ilay loharanon'ny hery avy any an-danitra. Ary amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy no hahitany sitraka eo imason'Andriamanitra, satria efa namaly ny fitakian'ny lalàna i Kristy ary efa nampitafy ny Fahamarinany amin'ilay fanahy mino izay mibebaka. (...) 

Fitiavana manao ahoana re izany! Fitiavana mahatalanjona no nasehon'ilay Zanak'Andriamanitra! (...) Alain’ i Kristy avy any amin'ny toerana ambany indrindra ny mpanota ka dioviny sy asandrany. Rehefa mibanjina an'i Jesôsy amin'ny maha-Izy Azy ny mpanota dia voaova sy voasandratra ho amin'ny fahamendrehana faratampony, eny ho eo amin'ny fipetrahan'i Kristy eo amin'ny seza fiandrianany mihitsy aza. (...) Ny drafi-panavotana no antoka hiatrehana ny fahamehana rehetra sy izay rehetra mety ilain'ny fanahy. Raha toa izany misy tsiny dia ho nanana fialan-tsiny ny mpanota amin'ny fanaovany an-tsirambina ny fanarahana ny fitsipiny, kanefa ilay Andriamanitra mandrakizay dia mahalala izay rehetra ilain'ny olombelona, ary fitahiana mitafotafo no nomena mba hanohanana ny zavatra ilaintsika rehetra. (...)

Inona ary no azon'ny mpanota lazaina amin'ny andro Iehiben'ny fitsarana farany ho fialan-tsiny noho ny fanaovany an-tsirambina ny famonjena natolotra azy? - TMK, t. 96. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (47)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal