Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana manadio ny fiainana.

Daty
Alakamisy 09 May 2024

"Fa hianao kosa, ry lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an 'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazony ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro."- 1 Tim. 6:11,12.

Mofon'Aina:
Olona maro no mampianatra fa ny finoana an'i Jesôsy irery ihany dia ampy hahazoana famonjena; inona anefa no ambaran'ny tenin'ny fahamarinana? "Maty (...) ny finoana, raha tsy misy asa." - Jak. 2:26. Tokony hiady ny ady tsaran'ny finoana isika ary hihazona ny fiainana mandrakizay, handray ny hazo fijaliana, handa ny tena, hiady amin'ny nofo, ary hanaraka isan'andro ny dian-tongotr'ilay Mpanavotra. (...) Fahadisoana mampidi-doza ny fiheverana fa tsy misy na inona na inona tokony hatao mba hahazoana famonjena. Tokony hiara-miasa amin'ny lanitra ianao. (...) 

Misy hazo fijaliana tokony holanjaina eo an-dalana, misy manda tokony harodana vao ho tafiditra ao amin'ilay tanana mandrakizay, misy tohatra tokony hiakarana vao ho tratra ilay vavahady vatosoa, ary rehefa mahatsapa ny tsy fahafahanao manoatra sy ny fahalemenao ianao ka mitalaho fanampiana dia hisy feo avy any an-danitra ho renao avy eo amin'ny lapan'ny lanitra manao hoe: "aoka hifikitra amin'ny heriko" ianao (Isa. 27:5). (...)

(...) Ny zava-manintona mifono fitaka miafina indrindra no ampiasain'ilay ratsy mba hamiliana ny fahatokian' ireo izay mahatoky amin'ny Lanitra. Aoka anefa haompantsika ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra ny herintsika rehetra dia ho voaro tsy ho latsaka ao amin'ny fandriky ny fahavalo isika. (...) 

Izay asa mampahaosa ny herim-batanao sy ny herin-tsainao dia mahatonga anao tsy ho vonona hanompo ilay Mpamorona anao. Tokony ho tia an'Andriamanitra amin'ny fontsika rehetra isika, ary raha tsy mifantoka afa-tsy amin'ny Voninahiny isika dia hihinana sy hisotro ary hitafy araka ny Sitrapony. Izay rehetra mahatsapa ny hevitry ny maha-Kristianina dia hanadio ny tenany ho afaka amin'ny zavatra rehetra izay mandemy sy mandoto. Ny fahazarana rehetra eto amin'ity fiainana ity dia hampifanarahany amin'ireo fitakian'ny Tenin'ny fahamarinana, ary tsy hino fotsiny izy fa hiasa amin-tahotra sy hovitra mba hahatanteraka ny famonjena ny tenany sady milefitra amin'ny famolavolan'ny Fanahy Masina. - TMK, t. 115. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (47)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal